Hitan’i Iaveh fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ary ny ratsy ihany no alehan’ny fisainana rehetra avy amin’ny fony isan’andro.
Hosea 10:9 - Baiboly Katolika Efa nanota hatramin’ny andro, fony tany Gabaà, ianao, ry Israely; mikiribiby aman-keloka izy ireo. Moa tsy hahatratra azy ireo koa any Gabaà ny ady voalaza hatao amin’ny zanaky ny faharatsiana? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hatramin’ilay tany Gibea fahiny no efa nanotanao, ry Israely! Niziriziry tamin’izany izy; tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana! DIEM PROTESTANTA Hatramin’ny andron’ilay raharaha izay niseho tao Gibehà no efa nanota i Israely, ary tsy niova tamin’izany izy. Koa tsy rariny ve raha ao Gibehà ny ady no hahatratra ireo olon-dratsy ireo? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hatramin’ny andron’ilay raharaha izay niseho tao Gibehà no efa nanota i Israely, ary tsy niova tamin’izany izy. Koa tsy rariny ve raha ao Gibehà ny ady no hahatratra ireo olon-dratsy ireo? Baiboly Protestanta Malagasy Hatramin’ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana. Malagasy Bible Hatramin'ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana. La Bible en Malgache Hatramin’ilay tany Gibea fahiny no efa nanotanao, ry Israely! Niziriziry tamin’izany izy; tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana! |
Hitan’i Iaveh fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ary ny ratsy ihany no alehan’ny fisainana rehetra avy amin’ny fony isan’andro.
Dia nandre hanitra mahafinaritra i Iaveh, ka i Iaveh nanao anakampo hoe: «Tsy hanozona intsony ny tany Aho noho ny olona; fa ratsy hatramin’ny fahatanorany ny fisainan’ny fon’ny olombelona; ary tsy mba hamono ny zavatra manana aina rehetra toy izay nataoko izay intsony Aho.
Hofaizako araka ny sitrapoko izy ireo: ary ho tafangona hamely azy ny firenena, rehefa hafatotra amin’ny fahotany roa izy ireo.
Ho rava ny fitoerana avon’i Avena, izay fahotan’i Israely; handadian’ny tsilo amam-boarointsaka ny ôteliny. Ny tendrombohitra hilazany hoe: «Saròny izahay!»
Tsofy ao Gabaà ny anjomara; ary ao Ramà ny trômpetra; miantsoa vonjy taitra ao Betavena! Mitandrema ianao, ry Benjamina!
Simba hatrany am-potony izy ireo, toy ny tamin’ny andron’i Gabaà; hotsarovan’i Iaveh ny helony, ary hovaliany ny fahotany.
Ary nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gabaà; ny trano nisy ahy nohodidininy nandritra ny alina; ny tenako nokendreny hovonoina, ny vaditsindranoko nanaovany an-keriny, ka maty.