Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hebreo 7:2 - Baiboly Katolika

notoloran’i Abrahama ny ampahafolon’ny babony rehetra; mpanjakan’ny fahamarinana no hevitr’anarany voalohany, vao mpanjakan’i Salema koa, izany hoe mpanjakan’ny fiadanana;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

sady nomen’i Abrahama ny ampahafolon’ny zavatra rehetra aza. Raha adika ny anarany, ny heviny voalohany dia mpanjakan’ny fahamarinana aloha, izay vao mpanjakan’i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan’ny fiadanana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

i Abrahama kosa nanome an’i Melkitsedeka ny ampahafolon’izay nananany rehetra. Ny hoe Melkitsedeka aloha dia midika ho «mpanjaka tia rariny»; ary izy koa dia mpanjakan’i Salema, izany hoe «Mpanjaka mitondra fiadanana.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

i Abrahama kosa nanome an’i Melkitsedeka ny ampahafolon’izay nananany rehetra. Ny hoe Melkitsedeka aloha dia midika ho «mpanjaka tia rariny»; ary izy koa dia mpanjakan’i Salema, izany hoe «Mpanjaka mitondra fiadanana.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

sady nomen’i Abrahama ny ampahafolon’ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan’ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan’i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan’ny fiadanana;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

sady nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan'ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan'i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan'ny fiadanana;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

sady nomen’i Abrahama ny ampahafolon’ny zavatra rehetra aza. Raha adika ny anarany, ny heviny voalohany dia mpanjakan’ny fahamarinana aloha, izay vao mpanjakan’i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan’ny fiadanana.

Jereo ny toko



Hebreo 7:2
26 Rohy Ifampitohizana  

Ho tranon’Andriamanitra ity vato naoriko ho tsangam-bato ity, ary haloako ho Anao ny ampahafolon’izay rehetra homenao ahy.»


Ny Andriamanitr’i Israely niteny, ny Vatolampin’i Israely niteny: Olo-marina mpanapaka ny olombelona izay manapaka amim-pahatahorana an’Andriamanitra,


Nanjaka tamin’i Israely rehetra i Davida, ary nitondra ny vahoakany rehetra araka ny rariny sy ny fahamarinana.


Fa indro hisy zazalahy haterakao, izay ho lehilahy miadana, homeko fandriam-pahalemana, eo anatrehan’ny fahavalo manodidina azy, fa hatao hoe Salômôna no anarany, ary homeko fandriam-pahalemana sy fiadanana i Israely amin’ny androny.


Ka amin’ny androny dia aoka ho finaritra ny olo-marina, amim-piadanana feno, mandra-pitsahatry ny fisian’ny volana.


Ny ampahafolon’ny biby fiompy, na vaventy na madinika, amin’izay biby fiandry rehetra, dia atokana ho an’i Iaveh avokoa ny ampahafolony.


Hiandry ny tanin’i Asora amin’ny sabatra ireo, sy ny tanin’i Nemrôda eo am-bavahadiny; ary izy hanafaka antsika amin’ny Asirianina, rehefa tonga amin’ny tanintsika ireny, sy hanitsaka ny faritanintsika ny tongony.


Indro omeko ho lovan’ny taranak’i Levỳ ny fahafolon-karena rehetra amin’i Israely noho ny raharaha ataony, dia ny raharahan’ny trano lay fihaonana.


Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: «amintsika Andriamanitra.»


«Voninahitra anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra, ary fiadanana anie ho an’ny olona etỳ ambonin’ny tany, fa nanehoany ny hatsaram-pony.»


dia hampiharihary ny fahamarinany Izy amin’ny andro ankehitriny, mba ho hita ho marina sady manamarina izay manam-pinoana an’i Jesoa.


Io Melkisedeka io, izay mpanjakan’i Salema, mpisoron’ny Avo Indrindra, nitsena an’i Abrahama fony izy avy nandresy mpanjaka maro, nitso-drano azy,


tsy ray tsy reny azy, tsy nanana tantaram-pirazanana izy, tsy voalaza andro niandohana na niafaram-piainana - ka nampitovina tamin’ny Zanak’Andriamanitra, dia mitoetra ho mpisorona mandrakizay.


Ny Ampahafolon’ny vokatra aman-tanimboalobokareo halainy ka homeny ny tandapa ama-mpanompony.


Ny ampahafolon’ny biby fiompinareo halainy, ary ny tenanareo aza ho andevony.