Fa didy manampy didy, didy manampy didy, fitsipika manampy fitsipika, fitsipika manampy fitsipika, mbetika izao, mbetika izany.»
Hagay 1:7 - Baiboly Katolika Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Diniho tsara ny lalanareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Hevero ny lalanareo. DIEM PROTESTANTA Izany no ilazan’ny TOMPOn’izao rehetra izao aminareo hoe: Hevero tsara ny manjo anareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izany no ilazan’ny TOMPOn’izao rehetra izao aminareo hoe: Hevero tsara ny manjo anareo. Baiboly Protestanta Malagasy Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hevero ny làlanareo. Malagasy Bible Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hevero ny lalanareo. La Bible en Malgache Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Hevero ny lalanareo. |
Fa didy manampy didy, didy manampy didy, fitsipika manampy fitsipika, fitsipika manampy fitsipika, mbetika izao, mbetika izany.»
Namafy be ianareo, fa nijinja kely; mihinana, fa tsy ampy hahavoky; misotro, fa tsy ampy hahafa-po; mitafy, fa tsy ampy hanafàna; ary ny mpikarama mahazo ny karama hatao an-kitapo loaka.
Mandehana any an-tendrombohitra ka mitondrà hazo, ary ataovy ny trano; hankasitrahiko sy hahazoako voninahitra izany, hoy i Iaveh.
Ary ankehitriny, hevero ny hatramin’izao anio izao no mankany; dia fony mbola tsy nisy vato nifanongoa, natao teo amin’ny Tempolin’i Iaveh.
Farany, ry kristianina havana, mifalia ao amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerin-teny raha manoratra aminareo, sady mahasoa anareo izany.