ary nilatsaka tamin’ny tany ny ranonorana nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina.
Genesisy 7:17 - Baiboly Katolika Naharitra efapolo andro teo amin’ny tany ny safodrano. Nitombo be ny rano dia naingainy ny sambo fiara, ary nisavoana tambonin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Naharitra efapolo andro tetỳ ambonin’ny tany ny safodrano ka niakatra ny rano dia nanainga ny sambofiara, ary nitsinkafona niala tamin’ny tany izy. DIEM PROTESTANTA Naharitra efapolo andro ny safo-drano teny ambonin’ny tany. Rehefa nitombo ny rano, dia nanainga ny sambofiara, hitsinkafona hiala amin’ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Naharitra efapolo andro ny safo-drano teny ambonin’ny tany. Rehefa nitombo ny rano, dia nanainga ny sambofiara, hitsinkafona hiala amin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary naharitra efa-polo andro tambonin’ny tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho akafa amin’ny tany izy. Malagasy Bible Ary naharitra efa-polo andro tambonin'ny tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho afaka amin'ny tany izy. La Bible en Malgache Naharitra efapolo andro tetỳ ambonin’ny tany ny safodrano ka niakatra ny rano dia nanainga ny sambofiara, ary nitsinkafona niala tamin’ny tany izy. |
ary nilatsaka tamin’ny tany ny ranonorana nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina.
Lahy sy vavy, avy amin’ny nofo rehetra no tonga izy araka ny nandidian’Andriamanitra an’i Nôe. Dia narindrin’i Iaveh teo ivohony ny varavarana.
Mbola nitombo ny rano, ka nisondrotra dia nisondrotra tao amin’ny tany, ary ny sambo fiara nitsinkafona teny ambonin’ny rano.
Fa fito andro sisa dia handatsaka ranonorana amin’ny tany Aho, mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina; ka hofongorako eo ambonin’ny tany ny zavatra rehetra nataoko.»
Manao ny ambaratongany any an-danitra izy, ary manorina ny andohalambony etỳ ambonin’ny tany; miantso ny rano eo amin’ny ranomasina izy, dia nampiely azy etỳ ambonin’ny tany; Iaveh no Anarany.