Dia nalain’i Abrahama i Ismaely zanany, mbamin’ny ompikeliny rehetra sy izay rehetra novidiny vola, dia ny lahy rehetra tamin’ny olona ao an-tranony, ka noforàny androtr’izay ihany, araka ny nandidian’Andriamanitra azy.
Genesisy 6:22 - Baiboly Katolika Nanomboka nanao izany i Nôe: notanterahiny daholo izay rehetra nasain’Andriamanitra nataony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nataon’i Noa izany. Araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony. DIEM PROTESTANTA Dia notanterahin’i Noà izany; ka araka izay rehetra efa nandidian’Andriamanitra azy no nataony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia notanterahin’i Noà izany; ka araka izay rehetra efa nandidian’Andriamanitra azy no nataony. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nataon’i Noa izany; araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony. Malagasy Bible Dia nataon'i Noa izany; araka izay rehetra nandidian'Andriamanitra azy no nataony. La Bible en Malgache Dia nataon’i Noa izany. Araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony. |
Dia nalain’i Abrahama i Ismaely zanany, mbamin’ny ompikeliny rehetra sy izay rehetra novidiny vola, dia ny lahy rehetra tamin’ny olona ao an-tranony, ka noforàny androtr’izay ihany, araka ny nandidian’Andriamanitra azy.
Lahy sy vavy, avy amin’ny nofo rehetra no tonga izy araka ny nandidian’Andriamanitra an’i Nôe. Dia narindrin’i Iaveh teo ivohony ny varavarana.
dia samy nanatona tsiroaroa, lahy sy vavy, nankao amin’i Nôe, ao an-tsambo fiara, araka ny nandidian’Andriamanitra an’i Nôe.
Novelariny ny lay teo ambonin’ny Fonenana, ary nataony teo ambony ny firakotry ny lay, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Nentiny tao anatin’ny Fonenana ny fiara, dia nahantony ny efitra lamba faneferana nanakonany ny fiaran’ny vavolombelona, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
dia nalahany eo amboniny, teo anatrehan’i Iaveh ny mofo, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
dia nametrahany ny lalampy, teo anatrehan’i Iaveh, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Rehefa hiditra ao an-trano lay fihaonana sy hanatona ny ôtely izy ireo, dia nisasa, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny reniny ka tonga tany amin’ny tanin’i Israely.