Toy izao no hanaovanao azy: Telon-jato hakiho no ho lavan’ny sambo fiara; dimampolo hakiho no sakany ary telopolo no haavony.
Genesisy 6:16 - Baiboly Katolika Asio elanelany iray hakiho tsy voatampina eo ambanin’ny tafo; ary varavarana iray amin’ny lafin’ny sambo fiara; ka asio rihana misy efitra voalohany, faharoa sy fahatelo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Asio tafo ny sambofiara ka ataovy iray hakiho avy eo ambony, ary asio varavarana eo amin’ny rindriny; ataovy rihana telo ny ao anatiny. DIEM PROTESTANTA Tafoy izy, ka asio elanelany antsasa-metatra eo amin’ny tafo sy ny rindrin-kazo; voleo varavarana amin’ny lafiny iray, ary asio rihana telo ny sambofiara. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tafoy izy, ka asio elanelany antsasa-metatra eo amin’ny tafo sy ny rindrin-kazo; voleo varavarana amin’ny lafiny iray, ary asio rihana telo ny sambofiara. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hasianao fidiran’ny mazava ny sambo-fiara, ary amin’ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao vara-varana ny rindrin’ny sambo-fiara; hataonao efitra telo mifanongoa izy. Malagasy Bible Ary hasianao fidiran'ny mazava ny sambo-fiara, ary amin'ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao varavarana ny rindrin'ny sambo-fiara ; hataonao efitra telo mifanongoa izy. La Bible en Malgache Asio tafo ny sambofiara ka ataovy iray hakiho avy eo ambony, ary asio varavarana eo amin’ny rindriny; ataovy rihana telo ny ao anatiny. |
Toy izao no hanaovanao azy: Telon-jato hakiho no ho lavan’ny sambo fiara; dimampolo hakiho no sakany ary telopolo no haavony.
Ary Izaho hahatonga ny safodrano hanafotra ny tany, mba handringana ny nofo rehetra manam-pofon’aina eo ambanin’ny lanitra; ho levona izay rehetra ety ambonin’ny tany.
Lahy sy vavy, avy amin’ny nofo rehetra no tonga izy araka ny nandidian’Andriamanitra an’i Nôe. Dia narindrin’i Iaveh teo ivohony ny varavarana.
Nony afaka efapolo andro, i Nôe dia namoha ny varavarankely nataony tamin’ny sambo fiara,
Nitsirika teo am-baravarankely i Mikola zanak’i Saola, nony niditra ny tanànan’i Davida ny Fiaran’i Iaveh, ary nahita ity Davida mpanjaka mitsinjaka sy mandihy teo anatrehan’i Iaveh izy, ka nikizaka azy tao am-pony.
Dia niditra tao Jezrahela i Jehò. Raha nandre izany i Jezabela dia notentenany ny masony, noravahany ny lohany, ka nitsidika teo am-baravarankely izy.
Tao amin’ny tempoly, dia ao anatiny sy ao amin’ny efitrano fidirana ho any amin’ny kianja, dia voapetaka hazo mitovy tantana amin’ny manodidina, na ny tokonana, na ny varavarankely makarakara aman-dalan-tsara manodidina, amin’izy telo manandrify ny tokonana. Hatramin’ny tany ka hatreo amin’ny varavarankely - mirindrina ny varavarankely -
tandrifin’ny roapolo hakiho amin’ny kianja anatiny, ary tandrifin’ny lampivato amin’ny kianja ivelany, nisy lalan-tsara nifanandrify mifanongoa telo.
Satria rehefa hitsangana manidy ny varavarana ny tompon-trano no tavela any alatrano ianareo ka handondòna ny varavarana hanao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hovaliany hoe: Tsy fantatro izay niavianareo