Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 6:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Tafoy izy, ka asio elanelany antsasa-metatra eo amin’ny tafo sy ny rindrin-kazo; voleo varavarana amin’ny lafiny iray, ary asio rihana telo ny sambofiara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Asio tafo ny sambofiara ka ataovy iray hakiho avy eo ambony, ary asio varavarana eo amin’ny rindriny; ataovy rihana telo ny ao anatiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Tafoy izy, ka asio elanelany antsasa-metatra eo amin’ny tafo sy ny rindrin-kazo; voleo varavarana amin’ny lafiny iray, ary asio rihana telo ny sambofiara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Asio elanelany iray hakiho tsy voatampina eo ambanin’ny tafo; ary varavarana iray amin’ny lafin’ny sambo fiara; ka asio rihana misy efitra voalohany, faharoa sy fahatelo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary hasianao fidiran’ny mazava ny sambo-fiara, ary amin’ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao vara-varana ny rindrin’ny sambo-fiara; hataonao efitra telo mifanongoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary hasianao fidiran'ny mazava ny sambo-fiara, ary amin'ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao varavarana ny rindrin'ny sambo-fiara ; hataonao efitra telo mifanongoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Asio tafo ny sambofiara ka ataovy iray hakiho avy eo ambony, ary asio varavarana eo amin’ny rindriny; ataovy rihana telo ny ao anatiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 6:16
9 Rohy Ifampitohizana  

Izao no hanaovanao azy: 150 metatra ny halavany, 25 metatra ny sakany ary 15 metatra ny haavony.


Indro Aho hahatonga safo-drano lehibe mba hamongorana izay rehetra manana aina atỳ ambany lanitra, ka ho levona avokoa izay rehetra eny ambonin’ny tany.


Lahy sy vavy tamin’ireo zava-mananaina rehetra ireo no niditra tao, araka izay efa nandidian’Andriamanitra an’i Noà. Avy eo dia nohidin’ny TOMPO ny varavarana.


Nony afaka efapolo andro, dia novohan’i Noà ny varavarankelin’ny sambofiara izay nataony.


Fa rehefa tonga tao an-tanànan’i Davida ny Vatamasin’ny TOMPO, dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikàla zanakavavin’i Saoly ka nony nahita an’i Davida mpanjaka nandihy sy nibitaka teo anatrehan’ny TOMPO izy, dia naneso azy anakampony.


Dia tonga tany Jizrehela i Jehò. Ary raha nandre izany i Jezebela dia nanao manjamaso sady nandravaka ny lohany ka nankeo am-baravarankely.


toy izany koa ny varavaran-kely makarakara sy ireo tranoheva fanampiny mirihana telo manodidina ny tempoly. Voapetaka hazo avokoa hatreo amin’ny fototra ka hatreny amin’ny varavaran-kely. Voarakotra latsy kosa ny varavaran-kely.


ny lafiny anankiray dia nanatrika ny toera-malalaka izay misy velarana folo metatra teo amin’ny kianja anatiny; ny lafiny tao am-badika kosa dia nanatrika ny lampivato teo amin’ny kianja ivelany. Nisy lalantsara mirihana telo tao anatin’io orin-trano io.


Rehefa nitsangana nanidy varavarana ny tompon-trano no ianareo mbola any alatrano, dia handondòm-baravarana ianareo hanao hoe: «Mba vohay izahay, tompoko ô!» Fa hovaliany hoe: «Tsy fantatro izay fiavianareo.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra