Ary i Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana; ka tonga i Abrahama hisaona an’i Sarà sy hitomany azy.
Genesisy 50:1 - Baiboly Katolika Nihohofan’i Josefa tamin’ny tavany ity rainy, ka nitomany teo aminy izy no nanoroka azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nihohoka tamin’ny tavan’ny rainy i Josefa ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy. DIEM PROTESTANTA Dia nihohoka teo amin’ny tavan’ny rainy i Jôsefa, ary nitomany sady nanoroka azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nihohoka teo amin’ny tavan’ny rainy i Jôsefa, ary nitomany sady nanoroka azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Josefa nihohoka tamin’ny tavan’ny rainy ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy. Malagasy Bible Ary Josefa nihohoka tamin'ny tavan'ny rainy ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy. La Bible en Malgache Ary nihohoka tamin’ny tavan’ny rainy i Josefa ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy. |
Ary i Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana; ka tonga i Abrahama hisaona an’i Sarà sy hitomany azy.
Izaho hiara-midina aminao any Ejipta. Izaho ihany koa no hitondra anao hiakatra indray tokoa avy any, ary ny tanan’i Josefa no hanirina ny masonao.
Nony avy nametraka ny didiny tamin’ireo zanany lahy i Jakôba, navonkiny teo am-parafara ny tongony dia niala aina izy, ka voaangona any amin’ny razany.
Ary nomeny teny ny mpanao fanafody manompo azy, hanosotra zava-manitra an-drainy, ka dia nanosotra an’i Israely ny mpanao fanafody.
Ary i Elisea nararin’ny aretina izay hahafaty azy, ka nidina nankany aminy i Jôasa mpanjakan’i Israely, dia nitomany teo ambonin’ny tavany nanao hoe: «Ry ikaky ô, ry ikaky ô! kalesin’i Israely ama-mpitaingin-tsoavaliny!»
Ianareo ray aman-dreny kosa, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa beazo amin’ny famaizana amam-pananarana ao amin’ny Tompo izy.
Ary tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry, sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.