Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 5:5 - Baiboly Katolika

Telopolo amby sivin-jato taona no andro rehetra niainan’i Adama; dia maty izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny andro rehetra niainan’i Adama dia telopolo sy sivinjato taona; dia maty izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nisy 930 taona ny andro rehetra niainan’i Adama, dia maty izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nisy 930 taona ny andro rehetra niainan’i Adama, dia maty izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny andro rehetra niainan’i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny andro rehetra niainan'i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny andro rehetra niainan’i Adama dia telopolo sy sivinjato taona; dia maty izy.

Jereo ny toko



Genesisy 5:5
21 Rohy Ifampitohizana  

Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao amin’ny tany; satria tany no nangalana anao, fa vovoka ianao, ary hody vovoka indray.»


Dimy amby sivin-jato taona ny andro rehetra niainan’i Enôsy, dia maty izy.


Ary ny andron’i Adama taorian’ny niterahany an’i Seta dia valon-jato taona, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.


Dimy amby zato taona ny andro niainan’i Seta vao niteraka an’i Enôsy izy.


Roa ambin’ny folo sy sivin-jato taona no andro rehetra niainan’i Seta, dia maty izy.


Fa ho faty marina isika: toy ny rano raraka an-tany ka tsy miangona intsony isika; Andriamanitra tsy manala ny aina, ary mamorona izay hevitra tsy hahatafajanona lavitra azy ilay voasesitany.


I Adama, i Seta, i Enôsa,


Satria, fantatro izany, fa entinao ho amin’ny fahafatesana aho; any amin’ny ifamotoanan’ny manana aina rehetra.


Tsarovy ny hafohezan’ny andro iainako, sy ny zavatra tsinontsinona naharianao ny zanak’olombelona!


Mahatratra ny fitopolo taona no andronay, valopolo taona no fara fahabetsahany; nefa hasasarana sy fahoriana foana ny voninahiny, fa mihelina faingana izy, dia lasa manidina izahay!


amin’izay atahoran’ny olona ny eny amin’ny fitoerana avo, izay ivadihan’ny olona fo eny an-dalambe, amin’izay amonian’ny amandie, sy ahatongavan’ny valala ho mavesatra, ary tsy hisy asany intsony ny kapra, fa miainga ho any amin’ny fonenany mandrakizay ny olona, ary mitety ny arabe ny mpitomany;


dieny mbola tsy miverina amin’ny tany ny vovoka, araka ny toetrany taloha indray, ary ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra izay nanome azy.


Fa ny velona mahalala fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona, ary tsy manan-tamby intsony izy fa hadino ny fahatsiarovana azy.


Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao; ary tsy ho diso diloilo manitra ny lohanao.


Ahy ny fanahy rehetra, na ny fanahin’ny ray, na ny fanahin’ny zanaka, samy Ahy avokoa, ka ny fanahy izay manota dia izy no ho faty.


amin’ny fitiavana an’i Iaveh Andriamanitrao, sy fihainoana ny feony, ary firaiketana Aminy, fa izany no fiainanao sy andro lava honenanao any amin’ny tany efa nianianan’i Iaveh homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, razanao.


Ary toy ny nandraiketana ny olona ho faty indray mandeha sy hotsaraina rehefa afaka izany