Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 5:2 - Baiboly Katolika

Lahy sy vavy no nahariany azy; ary notsofiny rano izy, ary nomeny anarana hoe Olombelona, tamin’ny nahariany azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Lahy sy vavy no nahariany azy ireo; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama, tamin’ny andro nahariany azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Lehilahy sy vehivavy no nahariany azy, dia nitsodrano azy Izy ka niantso azy hoe olombelona tamin’ny andro nahariany azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Lehilahy sy vehivavy no nahariany azy, dia nitsodrano azy Izy ka niantso azy hoe olombelona tamin’ny andro nahariany azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin’ny andro namoronany azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin'ny andro namoronany azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Lahy sy vavy no nahariany azy ireo; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama, tamin’ny andro nahariany azy.

Jereo ny toko



Genesisy 5:2
9 Rohy Ifampitohizana  

Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy; mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy, ary nataony lahy sy vavy izy ireo.


Dia nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy, ary anjakao ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voromanidina mbamin’ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.»


Dia nalain’i Iaveh Andriamanitra ralehilahy, ka napetrany tao amin’ny sahan’i Edena, mba hiasa sy hiandry azy.


Ary hoy ralehilahy: «Amin’izao, ity no taolana avy amin’ny taolako, sy nofo avy amin’ny nofoko. Hantsoina hoe vehivavy izy, satria nalaina avy tamin’ny lehilahy.»


Telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Adama vao nitera-dahy anankiray manahaka azy sy mitovy tarehy aminy, ka nomeny anarana hoe Seta.


Moa tsy iray no nataony misy nofo sy aina? Ary io iray io, inona no tadiaviny? - Nitady taranaka araka an’Andriamanitra izy. Ka mitandrema tsara ny fitondran-tenanareo, fa aza misy mamitaka ny vadin’ny fahatanorany.


Dia hoy Izy namaly azy ireo: «Tsy novakinareo va fa Izay nahary ny olona tamin’ny voalohany, dia nanao azy lahy sy vavy ary nilaza hoe:


Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra;


Avy tamin’ny olona iray no nampiaviany ny firenena rehetra, mba hamenoany mponina ny vohon’ny tany rehetra, ary Izy ihany no nametra ny taona hisiany sy ny faritany honenany avy,