ka efa tratra antitra tsara, ary efa ela sy lava andro niainana i Abrahama vao niala aina, ka maty, dia nakambana tamin’ny razany.
Genesisy 47:8 - Baiboly Katolika Ary hoy i Faraôna tamin’i Jakôba: «Firy taona ny andro niainanao?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy i Farao tamin’i Jakoba: Firy taona moa no andro niainanao? DIEM PROTESTANTA ka nanontaniany hoe: –Firy taona moa ianao izao? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka nanontaniany hoe: –Firy taona moa ianao izao? Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Farao tamin’i Jakoba: Firy taona moa no andro niainanao? Malagasy Bible Ary hoy Farao tamin'i Jakoba: Firy taona moa no andro niainanao? La Bible en Malgache Hoy i Farao tamin’i Jakoba: Firy taona moa no andro niainanao? |
ka efa tratra antitra tsara, ary efa ela sy lava andro niainana i Abrahama vao niala aina, ka maty, dia nakambana tamin’ny razany.
Fito ambin’ny folo taona no andro niainan’i Jakôba tany amin’ny tany Ejipta. Ary fito amby efapolo amby zato taona ny andro niainany rehetra.
Nampanalain’i Josefa i Jakôba rainy, ka nasehony an’i Faraôna; dia nisaotra an’i Faraôna i Jakôba.
Ka hoy i Jakôba tamin’i Faraôna: «Telopolo amby zato taona no andron’ny fivahiniako. Sady fohy no ratsy ny andro niainako, fa tsy nahatratra ny andro niainan’ny razako tamin’ny fivahiniany.»
Hoy ny mpanjaka tamin’i Berzelaia: «Andeha hiaraka amiko, fa hovelomiko any amiko any Jerosalema ianao.»