Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 47:30 - Baiboly Katolika

fa raha avy izay hodiako mandry any amin’ny razako, ento miala aty Ejipta aho, ka aleveno any amin’ny fasan’izy ireo.» Dia hoy ny navalin’i Josefa: «Eny, hotanterahiko ny teninao.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa rehefa modimandry any amin’ny razako aho dia hoentinao hiala atỳ Ejipta ka halevinao ao amin’ny fasany. Dia hoy i Josefa: Hataoko izany araka ny teninao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Rehefa maty aho, dia ento hiala aty Ejipta ka aleveno any am-pasan-drazako. Ka hoy i Jôsefa hoe: –Hotanterahiko araka ny teninao izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa maty aho, dia ento hiala aty Ejipta ka aleveno any am-pasan-drazako. Ka hoy i Jôsefa hoe: –Hotanterahiko araka ny teninao izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa rehefa lasa mody mandry any amin’ny razako aho, dia ho entinao hiala atỳ Egypta ka halevinao ao amin’ny fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa rehefa lasa mody mandry any amin'ny razako aho, dia ho entinao hiala atỳ Egypta ka halevinao ao amin'ny fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa rehefa modimandry any amin’ny razako aho dia hoentinao hiala atỳ Ejipta ka halevinao ao amin’ny fasany. Dia hoy i Josefa: Hataoko izany araka ny teninao.

Jereo ny toko



Genesisy 47:30
16 Rohy Ifampitohizana  

Ianao dia handeha ho any amin’ny razanao amim-piadanana; ho tratra antitra tsara ianao vao halevina.


Koa amin’izany ny sahan’i Efrôna, ao Makpelà, tandrifin’i Mambre, dia ny saha sy ny zohy ao, mbamin’ny hazo ao anaty saha ary ny hazo eny amin’ny sisiny manodidina;


Izay i Abrahama vao nandevina an’i Sarà vadiny, tao an-johin’i Makpelà, tandrifin’i Mambre dia i Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana.


dia ilay saha novidin’i Abrahama tamin’ny taranak’i Heta. Tao no nalevina i Abrahama sy i Sarà vadiny.


Nalevin’i Isaaka sy i Ismaely zanany izy, tao amin’ny zohy any Makpelà, amin’ny sahan’i Efrôna, zanak’i Seôra Heteanina, tandrifin’i Mambre,


Dia niala aina i Isaaka, ka maty, ary nakambana tamin’ny razany; tratra antitra sy lava andro niainana izy. Niara-nandevina azy i Esao sy i Jakôba, zanany.


Dia nasain’i Josefa nianiana koa ireo zanak’i Israely, nataony hoe: «Hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hoentinareo miakatra hiala atỳ ny taolako.»


Kely foana no handehanan’ny mpanomponao eo an-dafin’i Jordany, hiaraka amin’ny mpanjaka. Ka ahoana no dia hanomezan’ny mpanjaka ahy izany valim-pitia izany?


Dia nentin’izy ireo i Asaela ka naleviny tao amin’ny fasan-drainy izay ao Betlehema. Ary nandeha nandritra ny alina manontolo i Jôaba sy ny olony, ka vao nazava ratsy ny andro dia tonga tany Hebrôna izy.


ary noho ianao niverina, ka nihina-mofo sy nisotro rano tamin’ny toerana nandraran’i Iaveh anao hoe: Aza mihina-mofo any, na misotro rano any, dia tsy hiditra am-pasan-drazana ny fatinao.»


Nivadi-po terỳ aho, ka namaly ny mpanjaka hoe: «Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka! Hataoko ahoana no tsy falahelo tarehy, kanefa ny tanàna nisy ny fasan-drazako rava ary ny vavahadiny levon’ny afo?»


Nivavaka tamin’ny Andriamanitry ny lanitra aho, dia namaly ny mpanjaka hoe: «Raha sitraky ny mpanjaka ka mba nahita fitia eo imasony koa ity mpanompony dia alefao aho ho any Jodà, any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako azy indray.»


Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro efa ho tafandriana any amin’ny razanao ianao, ary ity vahoaka ity hitsangana hitolo-tena amin’ny andriamani-kafa any amin’ny tany efa hidirany. Handao Ahy izy ary hivadika ny fanekena nataoko taminy.