Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 47:30 - DIEM PROTESTANTA

30 Rehefa maty aho, dia ento hiala aty Ejipta ka aleveno any am-pasan-drazako. Ka hoy i Jôsefa hoe: –Hotanterahiko araka ny teninao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Fa rehefa modimandry any amin’ny razako aho dia hoentinao hiala atỳ Ejipta ka halevinao ao amin’ny fasany. Dia hoy i Josefa: Hataoko izany araka ny teninao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Rehefa maty aho, dia ento hiala aty Ejipta ka aleveno any am-pasan-drazako. Ka hoy i Jôsefa hoe: –Hotanterahiko araka ny teninao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

30 fa raha avy izay hodiako mandry any amin’ny razako, ento miala aty Ejipta aho, ka aleveno any amin’ny fasan’izy ireo.» Dia hoy ny navalin’i Josefa: «Eny, hotanterahiko ny teninao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Fa rehefa lasa mody mandry any amin’ny razako aho, dia ho entinao hiala atỳ Egypta ka halevinao ao amin’ny fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Fa rehefa lasa mody mandry any amin'ny razako aho, dia ho entinao hiala atỳ Egypta ka halevinao ao amin'ny fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 47:30
16 Rohy Ifampitohizana  

Ianao kosa ho faty amim-piadanana ka halevina, rehefa tratra antitra tsara.


Koa ny sahan’i Hefrôna izay tao Makpelà akaikin’i Mamre, izany hoe ny saha sy ilay lava-bato tao aminy mbamin’ny hazo rehetra tao anatin’ny faritra manodidina azy, dia natao varo-maty


Taorian’izany i Abrahama dia nandevina ny fatin’ny Sarà vadiny, tao amin’ilay lava-bato tao amin’ny saha Makpelà akaikin’i Mamre, izany hoe Hebrôna ao amin’ny tany Kanahàna.


Novidîn’i Abrahama tamin’ny taranak’i Heta io saha io, ary tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Sarà vadiny.


I Itsehàka sy i Jismahela zanany no nandevina azy tao amin’ny lava-baton’i Makpelà, ao amin’ny sahan’i Hefrôna zanakalahin’i Tsôhara izay Hetita, dia ilay saha ao akaikin’i Mamre.


no niala aina izy ka maty; ary efa tratra antitra izy vao nakambana tamin’ny razany. I Hesao sy i Jakôba zanany no nandevina azy.


Koa mianiàna amiko fa rehefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hoentinareo miakatra avy atỳ ny taolam-baloko.


Zara raha afaka hiampita an’i Jôrdàna miaraka aminao aho; koa nahoana no hanehoanao amiko fankasitrahana toy izany?


Nentina ny fatin’i Asahela ka nalevina tao amin’ny fasan-drainy tao Betlehema. Ary i Jôaba sy ny olony nanao lava alina, dia tonga tany Hebrôna tamin’ny mazava ratsy.


noho ianao niverina nihinan-kanina sy nisotro rano tany amin’ny tany izay nandraran’ny TOMPO anao hoe: ‹Aza mihinan-kanina na misotro rano any›, dia ho faty ianao kanefa tsy hiditra am-pasan-drazanao ny fatinao.»


ka niteny tamin’ny amperôra hoe: –Ho velona mandrakizay anie ianao, ry andriamanjaka! Nahoana no tsy halahelo tarehy aho, fa rava ny tanàna misy ny fasan-drazako sady levon’ny afo ny vavahadiny?


vao niteny tamin’ny amperôra hoe: –Raha sitrakao izany, ry andriamanjaka, ary raha misy fankatelemanao ahy mpanomponao, dia mba alefaso ho any Joda aho, ho any amin’ilay tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako azy.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro hodimandry any amin’ny razanao ianao; ary ity vahoaka ity kosa hiainga hanompo sampy ka hanaraka andriamani-kafa tompoina any amin’ny tany izay efa hidirany honenana. Hilaozany Aho ary hivadihany ny fanekempihavanana izay nataoko taminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra