Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 47:19 - Baiboly Katolika

Kanefa aiza ka dia ho faty eto anatrehanao izahay sy ny taninay! Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon’i Faraôna izahay sy ny taninay. Ary omeo voa hafafy izahay mba ho velona fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay, dia izahay sy ny taninay? Atakalozy hanina ny tenanay sy ny taninay dia ho mpanompon’i Farao izahay sy ny taninay. Omeo voa hafafy izahay mba ho velona fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nahoana no avela ho faty eto anatrehanao izahay ka hipetra-potsiny eo ny taninay? Vidio ny tenanay sy ny taninay, ka omeo hanina izahay; dia hanompo ny Farao ny tenanay sy ny taninay. Omeo masom-boly izahay mba hahazoanay mivelona ka ny tenanay tsy ho faty ary ny taninay tsy ho lao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nahoana no avela ho faty eto anatrehanao izahay ka hipetra-potsiny eo ny taninay? Vidio ny tenanay sy ny taninay, ka omeo hanina izahay; dia hanompo ny Farao ny tenanay sy ny taninay. Omeo masom-boly izahay mba hahazoanay mivelona ka ny tenanay tsy ho faty ary ny taninay tsy ho lao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

nahoana no dia ho faty izahay eto anatrehanao, dia izahay sy ny taninay? Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon’i Farao izahay sy ny taninay: ary omeo voa hafafy izahay, mba ho velona, fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

nahoana no dia ho faty izahay eto anatrehanao, dia izahay sy ny taninay? Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon'i Farao izahay sy ny taninay: ary omeo voa hafafy izahay, mba ho velona, fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay, dia izahay sy ny taninay? Atakalozy hanina ny tenanay sy ny taninay dia ho mpanompon’i Farao izahay sy ny taninay. Omeo voa hafafy izahay mba ho velona fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany.

Jereo ny toko



Genesisy 47:19
11 Rohy Ifampitohizana  

Dia izany hanina tahirizina izany, no ho fitaovana amin’ny fito taona mosarena ho tonga amin’ny tany Ejipta; dia tsy ho levon’ny mosary ny tany.»


Nony lany avokoa ny vola tany amin’ny tany Ejipta sy tany amin’ny tany Kanaana, dia nankany amin’i Josefa ny Ejiptianina rehetra nanao hoe: «Omeo hanina izahay. Aiza ka dia ho faty eto anatrehanao izahay, fa tapitra ny volanay!»


Nony tapitra izany taona izany, dia nankeo amin’i Josefa indray izy ireo, tamin’ny taona manaraka, nanao taminy hoe: «Tsy hafeninay amin’ny tompoko, fa ny vola efa lany, ny andiam-biby fiompy efa lasan’ny tompoko avokoa; ny tenabenay sy ny taninay sisa eto imason’ny tompoko.


Dia lasan’i Josefa ho an’i Faraôna ny tany Ejipta manontolo; fa ny Ejiptianina samy nanakalo ny sahany avy, fa resi-mosary, hany ka tonga fananan’i Faraôna ny tany.


Fa hoy ny navalin’i Satana an’i Iaveh: «Hoditra fefin’ny hoditra! Izay ananan’ny olona dia atolony ho fefin’ny ainy avokoa.


Misento avokoa ny vahoaka; mitady hanina izy; izay firavaka ananany, afoiny atakalo hanina, izay mampody aina ao aminy. «Jereo Iaveh ô, zahao ity fietrena nilatsahako.»


Mananty tanana amin’i Ejipta sy amin’i Asiria izahay, hivoky mofo.


Manao vy very ny ainay hahazoanay hanina eo anoloan’ny sabatry ny efitra.


Inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?