Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 46:5 - Baiboly Katolika

Dia niainga i Jakôba ka niala tao Bersabea; ary ny zanak’i Israely nametraka an’i Jakôba rainy, mbamin’ny vadiny aman-janany, teo ambonin’ny sarety nalefan’i Faraôna hitondrana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia niainga i Jakoba ka niala tao Bery-Sheba. Ary ireo zanak’Israely dia nitondra an’i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny tamin’ny sarety izay nalefan’i Farao hitondrana azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia niala tao Beera-Seba i Jakôba. Ary ireo zanakalahiny dia nitondra an’i Jakôba rainy sy ireo zaza amam-behivavy tao anatin’ny sarety izay efa nalefan’ny Farao hitondrana azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia niala tao Beera-Seba i Jakôba. Ary ireo zanakalahiny dia nitondra an’i Jakôba rainy sy ireo zaza amam-behivavy tao anatin’ny sarety izay efa nalefan’ny Farao hitondrana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niainga Jakoba ka niala tao Beri-sheba; ary ny Zanak’Isiraely nitondra an’i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny teo anatin’ny sariety, izay efa nampitondrain’i Farao hitondrana azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niainga Jakoba ka niala tao Beri-sheba; ary ny zanak'Isiraely nitondra an'i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny teo anatin'ny sariety, izay efa nampitondrain'i Farao hitondrana azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia niainga i Jakoba ka niala tao Bery-Sheba. Ary ireo zanak’Israely dia nitondra an’i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny tamin’ny sarety izay nalefan’i Farao hitondrana azy.

Jereo ny toko



Genesisy 46:5
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia nifoha maraina koa i Abrahama, ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray; nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy. Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany.


Omeko fahefana ianao hilaza aminy hoe: ‹Izao no hataonareo: Makà sarety amin’ny tany Ejipta hitondranareo ny vady aman-janakareo, alao ny rainareo dia mankanesa aty.


Dia nataon’ny zanak’i Israely izany. Nomen’i Josefa sarety izy, araka ny teny azony tamin’i Faraôna, ary vatsy koa hohaniny eny an-dalana.


Koa nambaran’izy ireo azy ny teny rehetra nolazain’i Josefa. Rehefa hitany ny sarety nalefan’i Josefa hitondrana azy, dia velombelona terỳ ny fanahin’i Jakôba rainy.


Koa nampaka an’i Môizy i Faraôna nilazany hoe: «Mandehana ianareo, manompoa an’i Iaveh, ka ny ondry sy ny ombinareo ihany no hijanona; fa na dia ny zanakareo madinika aza mahazo mandeha miaraka aminareo koa.»


Ary ny biby fiompinay hiaraka aminay koa, fa tsy misy havela na dia kitrony iray aza; satria amin’ireo no hangalanay hoenti-manompo an’i Iaveh Andriamanitray; ary na dia izahay aza dia mbola tsy mahalala akory izay tokony hoentinay manompo an’i Iaveh, raha tsy efa tonga any.»


Dia nidina tany Ejipta i Jakôba, ka tany no nahafatesan’izy sy ny razantsika.


Taorian’ny nahatongavan’i Jakôba tany Ejipta, dia nitaraina tamin’i Iaveh ny razanareo, ka naniraka an’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh, ary izy ireo nitondra ny razanareo hivoaka avy tany Ejipta, sy namponina azy tamin’ity tany ity.