Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 45:23 - Baiboly Katolika

Ary i rainy kosa nampitondrany ampondra lahy folo, nitondra tamin’izay vokatr’i Ejipta tsara indrindra; ampondra vavy folo, nitondra vary sy mofo ary hanina ho an-drainy eny an-dalana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izao kosa no nampitondrainy ho an’ny rainy: Borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Ejipta, borikivavy folo nitondra vary sy mofo ary vatsy ho an’ny rainy hoentiny eny an-dalana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary izao koa no nampitondrain’i Jôsefa ho an-drainy: borikilahy folo nivesatra ny zava-tsoa avy tany Ejipta sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo ary sakafo hafa ho an’ny dian-drainy mianakavy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary izao koa no nampitondrain’i Jôsefa ho an-drainy: borikilahy folo nivesatra ny zava-tsoa avy tany Ejipta sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo ary sakafo hafa ho an’ny dian-drainy mianakavy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary izao kosa no nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an’ny rainy ho entiny eny an-dàlana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary izao kosa no nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an'ny rainy ho entiny eny an-dalana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izao kosa no nampitondrainy ho an’ny rainy: Borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Ejipta, borikivavy folo nitondra vary sy mofo ary vatsy ho an’ny rainy hoentiny eny an-dalana.

Jereo ny toko



Genesisy 45:23
5 Rohy Ifampitohizana  

Naka folo tamin’ny ramevan’ny tompony, ilay mpanompo, dia niainga handeha, ary nananany fahefana avokoa ny fananan’ny tompony. Dia nitsangana izy, ka any Mesôpôtamia any an-tanànan’i Nakôra no nalehany.


Ka dia hoy i Israely rainy, tamin’izy ireo: «Ilaina àry izany, ka dia izao no ataovy: Angalao avokoa ny vokatra malaza amin’ny tany, ataovy ao anaty fitondran’entanareo dia ento hatao fanomezana ho an-dralehilahy: ditin-kazo manitra kely, tantely kely, astragala, ladanôma, voanjo, amandy.


Izy rehetra nomeny akanjo indray miova avy; i Benjamina nomeny volafotsy telon-jato farantsa sy akanjo indimy miova.


Dia nalefany ny rahalahiny ka niainga izy ireo, ary hoy izy tamin’izy ireo: «Aza mifanditra eny an-dalana ianareo».


Hoy ny zanak’i Israely tamin’izy ireo hoe: «Inay anie izahay mba matin’ny tanan’i Iaveh tany an-tany Ejipta, raha ilay nipetraka teo anelanelan’ny vilany feno hena sy nihinana mofo mandrapahavoky iny izahay; fa izao kosa nentinareo atỳ an’efitra izahay mba hahafaty mosary izao vahoaka be izao.»