Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 45:10 - Baiboly Katolika

Fa honina eo amin’ny tany Gesena ianao, dia samy ho eo akaikiko avokoa ianao sy ny zanakao ary ny zanaky ny zanakao, ny ondrinao sy ny ombinao ary ny fanananao rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia honina eo amin’ny tany Gosena ianao ka ho eo akaikiko ianao; ho eo akaikiko koa ny zanakao, ny zafinao, ny ondry aman’osinao ary ny ombinao mbamin’izay rehetra anananao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena ianao mbamin’ny zanakao sy ny zafikelinao ary koa ny ondry aman’osinao sy ny ombinao ary ny fanananao rehetra; dia ho etỳ akaikiko ianao amin’izay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena ianao mbamin’ny zanakao sy ny zafikelinao ary koa ny ondry aman’osinao sy ny ombinao ary ny fanananao rehetra; dia ho etỳ akaikiko ianao amin’izay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia honina eo amin’ny tany Gosena hianao, ka ho eo akaikiko hianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman-osinao sy ny ombinao mbamin’izay rehetra anananao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia honina eo amin'ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman'osinao sy ny ombinao mbamin'izay rehetra anananao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia honina eo amin’ny tany Gosena ianao ka ho eo akaikiko ianao; ho eo akaikiko koa ny zanakao, ny zafinao, ny ondry aman’osinao ary ny ombinao mbamin’izay rehetra anananao.

Jereo ny toko



Genesisy 45:10
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia valio hoe: ‹Biby fiompy no fanananay, izahay mpanomponao, hatramin’ny fahazazanay ka mandrak’ankehitriny; tahaka ny razanay koa.› Fa izany no hahazoanareo monina amin’ny tany Gesena, satria fahavetavetana amin’ny Ejiptianina ny mpiandry ondry rehetra.»


Dia nankany amin’i Faraôna i Josefa hilaza izany vaovao izany, ka hoy izy: «Tonga avy any amin’ny tany Kanaana ny raiko sy ny rahalahiko mbamin’ny ondriny sy ny ombiny sy izay rehetra ananany; ka indreo izy ao amin’ny tany Gesena.»


Ary i Josefa no nanome hanina an-drainy sy ny rahalahiny mbamin’ny ankohonan-drainy rehetra, araka ny isan-janany avy.


Dia hoy koa izy tamin’i Faraôna: «Tonga aty izahay mpanomponao mba hitoetra amin’ity tany ity, fa tsy misy hanina intsony horaotin’ny ondrin’ny mpanomponao, fa mamely mafy ny mosary any amin’ny tany Kanaana. Koa aoka re mba havelanao honina eto amin’ny tany Gesena ny mpanomponao.»


Aoka honina amin’ny tany Gesena izy. Ary raha mahita lehilahy mahay amin’izy ireo ianao, tendreo izy ho mpitandrina ny biby fiompiko.»


Ka hoy i Môizy: «Tsy mety ny manao izany, fa zava-padin’ny Ejiptianina ny sorona atolotra an’i Iaveh Andriamanitray; ka raha eo imason’ny Ejiptianina izahay no hanao sorona ny zava-pady, tsy sakoa ataony tora-bato?


Tsy nisy afa-tsy ny tany Genesa, izay nisy ny zanak’i Israely ihany, no tsy nilatsahan’ny havandra.


Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy, satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao.


Tamin’izay i Josefa dia nampaka an’i Jakôba rainy, mbamin’ny mpianakaviny rehetra izay nisy olona dimy amby fitopolo.