Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 44:13 - Baiboly Katolika

Notriarin’izy ireo ny fitafiany; natainginy tamin’ny ampondra ny entany, dia niverina nankany an-tanàna izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary samy nandriatra ny fitafiany izy dia nampiakatra ny entany tamin’ny borikiny avy ka niverina ho any an-tanàna.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Samy nandriatra ny fitafiany izy ary samy namatratra ny entany teny amin’ny borikiny avy, dia niverina ho ao an-tanàna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Samy nandriatra ny fitafiany izy ary samy namatratra ny entany teny amin’ny borikiny avy, dia niverina ho ao an-tanàna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary samy nandriatra ny fitafiany izy, dia nanaingina ny entany tamin’ny borikiny avy ka niverina ho any an-tanàna.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary samy nandriatra ny fitafiany izy, dia nanaingina ny entany tamin'ny borikiny avy ka niverina ho any an-tanàna.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary samy nandriatra ny fitafiany izy dia nampiakatra ny entany tamin’ny borikiny avy ka niverina ho any an-tanàna.

Jereo ny toko



Genesisy 44:13
7 Rohy Ifampitohizana  

Vao tafavoaka ny tanàna, mbola tsy lavitra akory izy, dia hoy i Josefa tamin’ilay mpikarakarany: «Miaingà enjeho ireny olona ireny, ka rehefa mahatratra azy ianao dia lazao aminy hoe: ‹Nahoana ianareo no namaly ratsy ny soa?


Dia noraisin’i Davida ny fitafiany, ka notriariny ary nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.


Tamin’ny andro fahatelo, inty nisy lehilahy anankiray, avy tany an-toby, avy tany amin’i Saola, ary ny akanjony rovitra, ny lohany norarahan-tany, ary nony mby teo amin’i Davida izy dia nidaboka tamin’ny tany, ka niankohoka.


Nohosenan’i Tamara vovoka ny lohany dia lasa nandeha izy, nidradradradra.


Nijery izy ka inty ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny lampihazo araka ny fanao. Teo anilan’ny mpanjaka ny lehibe sy ny mpitsoka trômpetra, ary faly ny vahoaka rehetra, ary nitsoka trômpetra ny olona. Dia nandriatra ny fitafiany i Atalia, ka niantso hoe: «Teti-dratsy! Teti-dratsy!»


Nandriatra ny fitafiany i Jôsoe, zanak’i Nona, sy i Kaleba, zanak’i Jefôna, anisan’ireo nisafo ny tany,