Ny voaviraviran’ny biby dia, tsy mba nentiko tany aminao; izaho no nivesatra ny faty antoka tamin’izany. Notakinao tamiko avokoa, na ny nangalarina andro na ny nangalarina alina.
Genesisy 43:9 - Baiboly Katolika Izaho no hiantoka azy; eo an-tanako no hitakianao azy. Raha tsy tafaveriko aty aminao izy, ka tsy tongako eto anatrehanao, dia ho meloka aminao, amin’ny andro rehetra hiainako aho. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izaho no hiantoka azy; amin’ny tanako no handraisanao azy. Raha tsy tongako atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy dia ho meloka aminao amin’ny andro rehetra hiainako aho. DIEM PROTESTANTA Izaho no hiantoka azy ka azonao takîna amiko; fa raha tsy haveriko eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao mandritra ny androko rehetra aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izaho no hiantoka azy ka azonao takîna amiko; fa raha tsy haveriko eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao mandritra ny androko rehetra aho. Baiboly Protestanta Malagasy Izaho no hiantoka azy; amin’ny tànako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin’ny andro rehetra hiainako aho; Malagasy Bible Izaho no hiantoka azy; amin'ny tanako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin'ny andro rehetra hiainako aho; La Bible en Malgache Izaho no hiantoka azy; amin’ny tanako no handraisanao azy. Raha tsy tongako atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy dia ho meloka aminao amin’ny andro rehetra hiainako aho. |
Ny voaviraviran’ny biby dia, tsy mba nentiko tany aminao; izaho no nivesatra ny faty antoka tamin’izany. Notakinao tamiko avokoa, na ny nangalarina andro na ny nangalarina alina.
Dia hoy i Robena tamin-drainy: «Vonoy ny zanako roalahy, raha tsy tafaveriko aty aminao i Benjamina fa atolory eto an-tànako izy, dia izaho no hitondra azy hody aty aminao indray.»
Ary ny ranareo dia hasaiko hampamoaka noho ny ainareo, hampamoahiko izany avokoa ny biby rehetra; ny tanan’olombelona izay mpirahalahy, no hampamoahiko ny ain’ny olombelona.
Hoy ravehivavy avy any Tekoa tamin’ny mpanjaka: «Aoka ny tenako, ry mpanjaka tompoko, aoka ny fianakavian-draiko no hiharan’ny ota, fa aza ny mpanjaka na ny sezam-panjakany no ho voan’izany!»
Fa raha tsy izany, rehefa mody amin’ny razany ny mpanjaka tompoko, dia hatao olo-meloka izaho sy i Salômôna zanako.»
Ry Andriamanitra ô, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao, fa iza indray moa no hety hitehaka ny tanako?
Aoka Ianao hiantoka ny fananan’ny mpanomponao, ary aoka tsy hampahorin’ny mpiavonavona aho.
Raha Izaho milaza amin’ny ratsy fanahy hoe: ‹Ho faty tokoa ianao›; nefa ianao kosa tsy mananatra azy, tsy miteny mananatra azy, dia ho faty amin’ny helony ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin’ny tananao ny rany.
Raha misy olo-marina miala amin’ny fahamarinana sy manao heloka, ka mametraka fandrika eo anoloany aho, dia ho faty izy; noho ianao tsy nananatra azy dia ho faty amin’ny fahotany izy; ny asa fahamarinana nataony kosa tsy hotsarovana intsony; ary ny rany kosa hadiniko amin’ny tananao.
Raha ilay mpitily kosa no mahita ny sabatra tamy nefa tsy mitsoka ny anjomara, ka tsy voataitra ny vahoaka, koa tonga ny sabatra, sady mahavoa tampoka olona iray amin’izy ireo, dia ho faty eo amin’ny helony ihany, izany olona izany, nefa hadiniko amin’ilay mpitily ny tany.
Raha niteny aho nilaza tamin’ny ratsy fanahy hoe: «Ho faty marina ianao, ry ilay ratsy fanahy,» ka tsy miteny ianao, hananatra ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, dia ho faty amin’ny helony ihany ilay io, noho izy ratsy fanahy, nefa hadiniko aminao ny rany.
mba hampamoahina an’ity taranaka ity avokoa ny ran’ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin’ny nahariana an’izao tontolo izao,