Hotompoim-pirenena maro anie ianao, hiankohofam-pirenena maro ianao, ho tompon’ny rahalahinao anie ianao, hiankohofan’ny zana-dreninao ianao. Ho voaozona anie izay hanozona anao, fa hohasoavina kosa izay hanisy soa anao!»
Genesisy 43:26 - Baiboly Katolika Nony tonga tao an-trano i Josefa, nampidirin’izy ireo tao an-trano ny fanomezana izay efa mby ao an-tanany, dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa tonga tao an-trano i Josefa dia natolotr’izy ireo ho azy ny fanomezana izay noentiny ho ao an-trano, ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy rehetra. DIEM PROTESTANTA Vao niditra i Jôsefa, dia natolotr’ireo azy ny fanomezana sady niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Vao niditra i Jôsefa, dia natolotr’ireo azy ny fanomezana sady niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa tonga tao an-trano Josefa, dia nampidirin’izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba hatolotra azy ireo zavatra efa nentiny, dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy. Malagasy Bible Ary rehefa tonga tao an-trano Josefa, dia nampidirin'izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba hatolotra azy ireo zavatra efa nentiny, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany izy. La Bible en Malgache Rehefa tonga tao an-trano i Josefa dia natolotr’izy ireo ho azy ny fanomezana izay noentiny ho ao an-trano, ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy rehetra. |
Hotompoim-pirenena maro anie ianao, hiankohofam-pirenena maro ianao, ho tompon’ny rahalahinao anie ianao, hiankohofan’ny zana-dreninao ianao. Ho voaozona anie izay hanozona anao, fa hohasoavina kosa izay hanisy soa anao!»
ary ny tenany kosa nandeha teo alohan’ireo, ka niankohoka tamin’ny tany impito izy mandra-pahatongany teo anilan’i Esao, rahalahiny.
I Josefa no mpanapaka ny tany ary izy no nivaro-bary tamin’ny tompon-tany rehetra. Nony tonga ny rahalahin’i Josefa dia niankohoka tamin’ny teo anatrehany.
Ka dia hoy i Israely rainy, tamin’izy ireo: «Ilaina àry izany, ka dia izao no ataovy: Angalao avokoa ny vokatra malaza amin’ny tany, ataovy ao anaty fitondran’entanareo dia ento hatao fanomezana ho an-dralehilahy: ditin-kazo manitra kely, tantely kely, astragala, ladanôma, voanjo, amandy.
Dia hoy ny navaliny: «Tsara ihany ny mpanomponao rainay, ary mbola velona ihany izy.» Dia niondrika sy nihohoka izy ireo.
Hiankohoka eo anatrehany ny mponina any an’efitra; ary ho lavo amin’ny tany ny fahavalony.
Dia nivoaka hitsena ny rafozany i Môizy; ka niankohoka sy nanoroka azy; ary rehefa nifanontany ny toe-pahasalamany avy izy aloha, dia niditra tao an-dain’i Môizy.
araka ny voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy ny Tompo, ny lohalika rehetra handohalika amiko, ary ny lela rehetra hidera an’Andriamanitra.