Ary indreo kosa nisy salohim-bary fito botry, mahia sady main’ny rivotra avy any atsinanana, izay naniry nanaraka an’ireny.
Genesisy 41:6 - Baiboly Katolika Nanaraka ireo indray nisy salohim-bary fito naniry sady mahia no main’ny rivotra avy any atsinanana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary indreo, nisy salohim-bary fito maivam-boa kosa sady mainan’ny rivotra avy any atsinanana, nitsimoka nanaraka ireny. DIEM PROTESTANTA Avy eo dia nisy salohim-bary fito manakofa sady main’ny rivotra avy any atsinanana nitrebona taorian’ireo; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy eo dia nisy salohim-bary fito manakofa sady main’ny rivotra avy any atsinanana nitrebona taorian’ireo; Baiboly Protestanta Malagasy Ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito maivam-boa sady main’ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny. Malagasy Bible Ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito maivam-boa sady main'ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny. La Bible en Malgache Ary indreo, nisy salohim-bary fito maivam-boa kosa sady mainan’ny rivotra avy any atsinanana, nitsimoka nanaraka ireny. |
Ary indreo kosa nisy salohim-bary fito botry, mahia sady main’ny rivotra avy any atsinanana, izay naniry nanaraka an’ireny.
Fa natory indray izy dia nanonofy fanindroany; ary indreo nisy salohim-bary fito sady vaventy no tsara tarehy, nisondrotra avy amin’ny tahony iray ihany.
Ary natelin’ireto salohim-bary mahia, iretsy salohim-bary vaventy sady feno tsara. Dia nahatsiaro i Faraôna; ka indro nofy izany.
Efa voavoly izy, fa moa ho vanona va? Tsy halazo va izy, raha vao tsofin’ny rivotra avy atsinanana? Halazo eo amin’ny kisahasaha naniriany izy.
Kanjo, nongotana tamin-katezerana ka nazera amin’ny tany, ary ny rivotra avy atsinanana nanamaina ny voany: voafolaka ka nihamaina ny rantsany mafy, dia levon’ny afo izy.
I Efraima nanodidina Ahy tamin’ny lainga, ary ny taranak’i Israely tamin’ny fitaka, i Jodà koa efa tapa-kofehy ny amin’ny momba an’Andriamanitra, ny amin’ny momba an’ilay Masina izay mahatoky.
Fa hahavokatra eo amin’ny rahalahiny i Efraima; nefa ho tonga ny rivotra avy atsinanana; hiakatra avy any an’efitra ny fofon’ain’i Iaveh; ka ho maina ny loharanony; ho tankina ny fantsakàny; hobaboiny ny firaketan’ny zava-tsarobidy rehetra.
Nony niposaka indray ny masoandro, nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana i Iaveh sady nasiany masoandro ny lohan’i Jônasy, ka efa ana mihitsy izy. Nangataka ny ho faty izy ka nanao hoe: «Aleoko maty toy izay ho velona».