Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 40:1 - Baiboly Katolika

Tatỳ aorian’izany dia sendra diso tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony, ny mpandroso divay sy ny mpitantana mofo, ao amin’ny mpanjakan’i Ejipta.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Taorianan’izany dia nahavita fahadisoana tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony ny mpitondra kapoakan’ny mpanjakan’i Ejipta sy ny mpanao mofony.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Taorian’izany zavatra izany dia nanao fahadisoana tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny lehiben’ny mpanao mofo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Taorian’izany zavatra izany dia nanao fahadisoana tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny lehiben’ny mpanao mofo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY taorian’izany ny mpitondra kapoakan’ny mpanjakan’i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin’ny mpanjakan’i Egypta tompony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary taorian'izany ny mpitondra kapoakan'ny mpanjakan'i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin'ny mpanjakan'i Egypta tompony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Taorianan’izany dia nahavita fahadisoana tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony ny mpitondra kapoakan’ny mpanjakan’i Ejipta sy ny mpanao mofony.

Jereo ny toko



Genesisy 40:1
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary teny an-tanako ny kôpin’i Faraôna, ka nalaiko ny voaloboka, nofiazako ho ao anaty kôpin’i Faraôna ny ranony, dia natolotro teo an-tanan’i Faraôna ny kôpy.»


Ka hateloana sisa dia hasandratr’i Faraôna ny lohanao, haveriny amin’ny raharahanao indray ianao, ka hametraka ny kôpin’i Faraôna ho eo an-tanany ianao, araka ny raharahanao teo aloha, fony ianao mpandroso divay azy.


Nony hitan’itsy lehiben’ny mpitantana mofo fa tsara ny hevitry ny nofy nolazain’i Josefa, dia hoy izy taminy: «Izao kosa no nofiko: Niloloha garaba telo nisy mofo fotsy aho,


Ka tezitra i Faraôna tamin’ireo manamboninahiny roa lahy ireo, dia ny lehiben’ny mpandroso divay sy ny lehiben’ny mpitantana mofo.


Samy nanonofy izy roalahy indray alina, dia ilay mpandroso divay sy ilay mpitantana mofon’ny mpanjakan’i Ejipta notanana tao an-tranomaizina; ka samy nanana ny nofiny, sy samy hafa ny hevitry ny nofiny.


Izay ilay lehiben’ny mpandroso divay vao niteny ka nilaza tamin’i Faraôna nanao hoe: «Ndeha hampahatsiaro ny fahadisoako taloha aho anio.


Endrey, ry Tompo, aoka hanongilan-tsofina amin’ny vavak’ity mpanomponao Ianao, sy amin’ny vavak’ireo mpanomponao izay mankasitraka tokoa ny matahotra ny Anaranao! Ho sitrakao anie ny hanambina ny mpanomponao anio, sy hampahita fitia azy eo imason’io lehilahy io.» Mpandroso divain’ny mpanjaka aho fahizay.