Tamin’izany andro izany, i Abimeleka narahin’i Fikôla, filohan’ny tafiny, niteny tamin’i Abrahama hoe: «Omban’Andriamanitra ianao amin’izay rehetra ataonao.
Genesisy 39:21 - Baiboly Katolika Nomban’i Iaveh anefa i Josefa sady nanamparany ny hatsaram-pony, ary nampahazoany fitia tamin’ny mpitandrina ny tranomaizina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nomba an’i Josefa anefa NY TOMPO ka namindra fo taminy ary nampahita fitia azy teo imason’ny mpiambina ny tranomaizina. DIEM PROTESTANTA dia nomba azy kosa ny TOMPO sy naneho hatsaram-po taminy, ka nampahita sitraka azy tamin’ny lehiben’ny fonja. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia nomba azy kosa ny TOMPO sy naneho hatsaram-po taminy, ka nampahita sitraka azy tamin’ny lehiben’ny fonja. Baiboly Protestanta Malagasy Nefa Jehovah nomba an’i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason’ny mpitandrina ny trano-maizina. Malagasy Bible Nefa Jehovah nomba an'i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason'ny mpitandrina ny trano-maizina. La Bible en Malgache Nomba an’i Josefa anefa NY TOMPO ka namindra fo taminy ary nampahita fitia azy teo imason’ny mpiambina ny tranomaizina. |
Tamin’izany andro izany, i Abimeleka narahin’i Fikôla, filohan’ny tafiny, niteny tamin’i Abrahama hoe: «Omban’Andriamanitra ianao amin’izay rehetra ataonao.
Nomban’i Iaveh i Josefa, ka nahazoam-panambinana tamin’ny zavatra rehetra izy; nonina tao an-tranon’ny Ejiptianina tompony izy.
Hitan’ity tompony fa nomban’i Iaveh izy, ary nambinin’i Iaveh teo an-tanany avokoa ny zavatra rehetra nataony.
Dia nahita fitia teo imasony i Josefa, ka nampanaoviny raharaha teo aminy, natsangany ho filohan’ny tranony izy, ary nataony eo am-pelatanany ny fananany rehetra.
Dia nasainy nahiboka tao amin’ny lehiben’ny mpiambina ireo, tao an-tranomaizina, tao amin’ny fitoerana nitanana an’i Josefa.
mandra-pahatongan’ny andro nahatanterahan’izay voalazany mialoha, izay nanamarinan’ny tenin’Andriamanitra azy.
mba hifehy ireo andriandahy araka izay sitraky ny fony, sy hampianatra fahendrena an’ireo loholony.
ary nataony nahita famindram-po aminy izy ireo, teo anatrehan’izay rehetra nitana azy ho babo.
Dia nataon’i Iaveh nahita fitia teo imason’ny Ejiptianina ny vahoaka; ary i Môizy aza dia tonga nanan-kaja indrindra tany an-tany Ejipta, na tamin’ny mpanompon’i Faraôna na tamin’ny vahoaka.
Dia nataon’i Iaveh nahita fitia teo imason’ny Ejiptianina ny vahoaka, ka nahazo izay nangatahiny. Nanongaka babo tamin’ny Ejiptianina izy ireo.
«Hataoko mahita fitia eo imason’ny Ejiptianina ity vahoaka ity, hany ka tsy hitondra tanam-polo ianareo, rehefa handeha.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Fa aleo amin’ny fanaovan-tsoa no miaritra fahoriana, raha izany no sitrapon’Andriamanitra, toy izay amin’ny fanaovan-dratsy.