Fa an-keriny no nangalana ahy tany amin’ny Hebrio; ary eto aho tsy nanao na inona na inona tokony handatsahana ahy amin’ity tranomaizina ity.»
Genesisy 39:20 - Baiboly Katolika Nalainy i Josefa ka nataony an-tranomaizina, amin’ny fitoerana fitanana ny olona diso tamin’ny mpanjaka. Dia tao an-tranomaizina tao izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia naka an’i Josefa ny tompony ka nampiditra azy tao amin’ny tranomaizina izay fitoeran’ny mpifatotra diso tamin’ny mpanjaka. Koa nitoetra tao an-tranomaizina izy. DIEM PROTESTANTA Koa nasain’i Pôtifara nosamborina i Jôsefa sy nasainy nohidîna tao am-ponja izay nisy ireo mpigadra meloka tamin’ny mpanjaka. Fa raha tao am-ponja i Jôsefa, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa nasain’i Pôtifara nosamborina i Jôsefa sy nasainy nohidîna tao am-ponja izay nisy ireo mpigadra meloka tamin’ny mpanjaka. Fa raha tao am-ponja i Jôsefa, Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny tompon’i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran’ny mpifatotra diso tamin’ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano maizina izy. Malagasy Bible Ary ny tompon'i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran'ny mpifatotra diso tamin'ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy. La Bible en Malgache Dia naka an’i Josefa ny tompony ka nampiditra azy tao amin’ny tranomaizina izay fitoeran’ny mpifatotra diso tamin’ny mpanjaka. Koa nitoetra tao an-tranomaizina izy. |
Fa an-keriny no nangalana ahy tany amin’ny Hebrio; ary eto aho tsy nanao na inona na inona tokony handatsahana ahy amin’ity tranomaizina ity.»
nony nitsangana hitsara Andriamanitra; sy hamonjy ny olo-mahantra rehetra amin’ny tany. - Selà
Nesorina izy noho ny fampahoriana sy ny fitsaràna; ary iza moa tamin’ireo niara-belona taminy, no mba nihevitra, fa nofongorana eo amin’ny tanin’ny velona Izy, ary nozoin-doza noho ny fahotan’ny vahoakako?
Ary nisafoaka tamin’i Jeremia ny lehibe; nikapoka azy izy ireo ary nandatsaka azy an-tranomaizina, tao amin’ny tranon’i Jonatàna mpanoratra, fa nataony tranomaizina izany.
izay iaretako fijaliana hatramin’ny fatorana toy ny olon-dratsy aza; ny tenin’Andriamanitra anefa tsy mba voafatotra.
Fa zavatra ankasitrahin’Andriamanitra ny fiaretan’ny olona ny fampahoriana afitsoka azy tsy an-drariny noho ny fitiavana Azy.