Genesisy 39:14 - Baiboly Katolika dia niantso ny mpanompo tao an-tranony izy, ary niteny taminy nanao hoe: «Jereo fa nampidirany Hebrio hisangy antsika. Nidiran-dralehilahy iny teto aho, handriany amiko, ka niantsoantso mafy erỳ aho.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia niantso ireo olona tao an-tranony izy ka nilaza taminy hoe: Indro, nampiditra lehilahy hebreo tato amintsika izy hisangy antsika. Nanatona ahy mba handry amiko iny dia niantso tamin’ny feo mahery aho. DIEM PROTESTANTA dia niantso vonjy tamin’ireo mpanompony izy ka nanao hoe: –Jereo fa nentina taty amintsika iny lehilahy hebreo iny mba hanadala antsika. Nanatona ahy saika handry tamiko izy, kanjo niantsoantso mafy aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia niantso vonjy tamin’ireo mpanompony izy ka nanao hoe: –Jereo fa nentina taty amintsika iny lehilahy hebreo iny mba hanadala antsika. Nanatona ahy saika handry tamiko izy, kanjo niantsoantso mafy aho. Baiboly Protestanta Malagasy dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin’ny feo mahery aho; Malagasy Bible dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin'ny feo mahery aho; La Bible en Malgache dia niantso ireo olona tao an-tranony izy ka nilaza taminy hoe: Indro, nampiditra lehilahy hebreo tato amintsika izy hisangy antsika. Nanatona ahy mba handry amiko iny dia niantso tamin’ny feo mahery aho. |
Dia tonga ny anankiray tamin’ireo mpandositra nilaza izany tamin’i Abrama, Hebrio, izay nonina tao amin’ireo terebintan’i Mambre, dia ilay Amôreana rahalahin’i Eskôla sy Anera, fa olona vita fanekem-pihavanana tamin’i Abrama ireo.
Nony hitan-dravehivavy fa ny lambany navelany teo an-tanany, izy nandositra any alatrano;
«Nony injay reny nanandra-peo niantso mafy aho, ny lambany navelany eto anilako, ary nandositra any alatrano izy.»
Ary ireo teny ireo ihany no nolazainy taminy koa nataony hoe: «Iny andevolahy Hebrio, izay nampidirinao teto amintsika iny, dia nankaty amiko hisangy ahy.
Ary tatỳ aorian’izany, dia sendra nanopy ny masony tamin’i Josefa ny vadin’ny tompony, ka nanao hoe: «Avia handry amiko.»
Fa an-keriny no nangalana ahy tany amin’ny Hebrio; ary eto aho tsy nanao na inona na inona tokony handatsahana ahy amin’ity tranomaizina ity.»
Misy vavolombelona tsy marina mitsangana; ka miampanga ahy amin’ny zavatra tsy fantatro,
Mihainoa Ahy, ianareo mahalala ny fahamarinana, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao. Aza matahotra izay latsan’olombelona; na mivadi-po amin’izay fanaratsian’izy ireo.
Ny fiadiana rehetra notefena hamelezana anao, tsy hisy asany, ary ny lela rehetra hisondrotra hifanohitra aminao, horesenao lahatra. - Izany no lovan’ny zanak’i Iaveh; izany no fahamarinana ho azony avy amiko. - Teny marin’i Iaveh. -
Tamin’izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona rehetra dia nitady izay hiampangana lainga an’i Jesoa hamonoana Azy,
Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny Amiko;
Ary ry zareo niampanga Azy toy izao: «Azonay nampiodina ny firenenay Ilay io, sy nandrara tsy handoa hetra ho an’i Sezara, ary nilaza ny Tenany ho Kristy mpanjaka.»
na omem-boninahitra na alàm-baraka, na ratsy laza na tsara laza; honoina ho mpamitaka nefa mpilaza ny marina; ho olon-tsy fantatra, nefa fantatra tsara;
Inona tokoa àry no ho fahamendrehanareo, raha manao ratsy ianareo ka miaritra ny kapoka valin’izany? Fa raha manao soa ianareo no ampahorîna, ka miaritra amim-pandeferana, dia izany no ankasitrahin’Andriamanitra.