Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 39:11 - Baiboly Katolika

Indray andro izy niditra tao an-trano hanao ny raharahany; ary tsy nisy tao ny olona tamin’io trano io, na dia iray aza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Indray andro, niditra hanatanteraka ny raharahany tao an-trano i Josefa, sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin’izay,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Indray andro dia niditra tao an-trano i Jôsefa mba hanao ny raharahany, ary tsy nisy mpanompo tao an-trano.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Indray andro dia niditra tao an-trano i Jôsefa mba hanao ny raharahany, ary tsy nisy mpanompo tao an-trano.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tamin’ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin’izay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tamin'ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin'izay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Indray andro, niditra hanatanteraka ny raharahany tao an-trano i Josefa, sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin’izay,

Jereo ny toko



Genesisy 39:11
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary na dia niteny tamin’i Josefa isan’andro isan’andro aza ravehivavy, dia tsy nety nandry taminy izy, na hiara-mitoetra aminy.


Ka nosamborin-dravehivavy tamin’ny lambany izy, nataony hoe: «Avia handry amiko.» Navelan’i Josefa teo an-tanany anefa ny lambany, ka nandositra tany alatrano izy.


Ny mason’ny mpaka vadin’olona mikendry izay iavian’ny maizimaizina; tsy misy mahita any, hoy izy, dia manao very maso izy.


Mamy ny rano angalarina, ary fy ny mofo hanina am-piafenana!


Misy olona mahay miery amin’ny fierena va, ka tsy ho hitako? - teny marin’i Iaveh- Ny lanitra sy ny tany, moa tsy manerana azy va Aho? - teny marin’i Iaveh.-


Hanatona anareo Aho ho amin’ny fitsarana; ary ho vavolombelona faingana hamely ny mpanao ody, ny mpaka vadin’olona, ny mpianian-tsy to, ny mpiharaka ny karaman’ny mpikarama, ny mpampahory ny kamboty sy ny mpitondratena, ny mandroaka ny vahiny ary ny tsy matahotra Ahy, hoy i Iavehn’ny tafika.


satria mahamenatra na dia ny hilaza fotsiny ny ataon’izy ireny an-takona aza;


Araka ny manendrika ny olomasina, dia aoka tsy ho re eo aminareo na dia izay hoe lazam-pijangajangana fotsiny aza, sy rehefa mety ho fahalotoana amam-pilàn-dratsin’ny nofo,