Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 38:4 - Baiboly Katolika

Nanana anaka indray izy, dia tera-dahy, ka nataony hoe Onàna ny anarany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanana anaka indray izy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Onana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Mbola nitoe-jaza indray ravehivavy ka niteraka zazalahy nantsoiny hoe Onàna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mbola nitoe-jaza indray ravehivavy ka niteraka zazalahy nantsoiny hoe Onàna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nanan-anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanana anaka indray izy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Onana.

Jereo ny toko



Genesisy 38:4
4 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Adama nahalala an’i Eva vadiny, ka nanana anaka izy, dia niteraka an’i Kaina, sy nanao hoe: «Efa nampisy olona anankiray aho tamin’ny fanampian’i Iaveh.»


Zanak’i Jodà: i Hera, i Onàna, i Selà, i Faresa ary i Zarà; fa i Hera sy i Onàna maty teny Kanaana. Ny zanak’i Faresa dia i Hesrôna sy i Hamola.


Zanak’i Jodà: i Hera, i Onàna, sy i Selà: izy telo lahy ireo no naterak’ilay zanaka vavin’i Soe, ilay vehivavy Kananeanina, taminy. I Hera lahimatoan’i Jodà dia ratsy fanahy teo imason’i Iaveh, ka nasiany ho faty.


Zanak’i Jodà: i Era sy i Onàna, fa maty tany Kanaana i Era sy i Onàna.