Nony ela dia maty ilay zanakavavin’i Soe, vadin’i Jodà. Ary rehefa afa-tsaona i Jodà, dia niakatra tany amin’ireo nanety ny ondriny, any Tamnà, izy sy i Hirà, Odolamita sakaizany.
Genesisy 38:1 - Baiboly Katolika Tamin’izany andro izany, niala teo amin’ireo rahalahiny i Jodà, dia nidina ka tonga tany amin’ny lehilahy anankiray tao Odolama atao hoe Hirà. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’izany andro izany i Joda dia nidina niala teo amin’ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy adolamita iray, izay nantsoina hoe Hirà. DIEM PROTESTANTA Tamin’izany fotoana izany dia niala teo amin’ny rahalahiny i Joda ka nidina tany Hadolama, ho any amin’ny lehilahy atao hoe Hirà. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izany fotoana izany dia niala teo amin’ny rahalahiny i Joda ka nidina tany Hadolama, ho any amin’ny lehilahy atao hoe Hirà. Baiboly Protestanta Malagasy ARY tamin’izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin’ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray, Hira no anarany. Malagasy Bible Ary tamin'izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin'ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany. La Bible en Malgache Tamin’izany andro izany i Joda dia nidina niala teo amin’ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy adolamita iray, izay nantsoina hoe Hirà. |
Nony ela dia maty ilay zanakavavin’i Soe, vadin’i Jodà. Ary rehefa afa-tsaona i Jodà, dia niakatra tany amin’ireo nanety ny ondriny, any Tamnà, izy sy i Hirà, Odolamita sakaizany.
Nampanaterin’i Jodà an’ilay Odolamita sakaizany, ny zanak’osy, hangalany ny antoka tany an-tanan-dravehivavy, kanjo tsy hitany izy.
Tamin’ny Filistinina nitoby tao an-dohasahan’ny Refaima dia nisy telo lahy tamin’ireo Kapiteny 30, nidina nankany amin’i Davida, tao an-johin’i Odolama tamin’ny fotoam-pijinjana.
Indray andro i Elisea nandalo tany Sonama. Ary nisy vehivavy mpanan-karena anankiray tao niangavy mafy taminy hisakafo, ka isaky ny nandalo izy dia nankao aminy hisakafo.
Ny tamà-miaraka amin’ny hendry, hihahendry; fa ny mivarilena amin’ny adala, hiharatsy.
Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona ianareo; ary mizora amin’ny lalan’ny fahazavan-tsaina.»
Hitondrako mpandresy ianao, ry ikala mponina ao Maresà; ho lasana hatrany Odolama ny tabihan’i Israely.
Nivoaka i Jahela hitsena an’i Sisarà ka nanao taminy hoe: «Mandrosoa, tompoko, mandrosoa atỳ amiko fa aza matahotra.» Dia nandroso aminy tao an-day izy, ka nafeniny tao ambany firakofana.
Niala teo i Davida ka nandositra tany amin’ny zohin’i Odolama. Nony nandre izany ny rahalahiny sy ny fianakavian-drainy rehetra, dia nidina nankany aminy koa.