Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 36:7 - Baiboly Katolika

Fa efa samy be loatra ny haren’izy ireo ka tsy nahazo niara-monina intsony izy, fa tsy omby azy ireo intsony ny tany nonenany, noho ny biby fiompiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Samy be loatra mantsy ny haren’izy mirahalahy ka tsy nahazo niara-monina izy; tsy omby azy ny tany fivahinianany, noho ny omby aman’ondriny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Satria efa samy be harena loatra izy mirahalahy ka tsy afaka ny hiara-monina intsony; ary ny faritany nisy azy dia tsy ampy hihinanan’ny biby fiompin’ny roa tonta.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Satria efa samy be harena loatra izy mirahalahy ka tsy afaka ny hiara-monina intsony; ary ny faritany nisy azy dia tsy ampy hihinanan’ny biby fiompin’ny roa tonta.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa samy be loatra ny haren’izy mirahalahy, ka tsy mba nahazo niray monina izy; ary tsy omby azy ny tany fivahiniany, noho ny omby aman-ondriny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa samy be loatra ny haren'izy mirahalahy, ka tsy mba nahazo niray monina izy; ary tsy omby azy ny tany fivahiniany, noho ny omby aman ondriny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Samy be loatra mantsy ny haren’izy mirahalahy ka tsy nahazo niara-monina izy; tsy omby azy ny tany fivahinianany, noho ny omby aman’ondriny.

Jereo ny toko



Genesisy 36:7
8 Rohy Ifampitohizana  

Ka dia ny tany lemak’i Jordany no nofidin’i Lôta ho azy; ka nifindra niantsinanana izy; toy izany no nisarahan’izy roa lahy.


ka tsy ampy hiarahan’izy roa lahy monina intsony ny faritany, fa efa be dia be ny fananany, ka tsy nahazo niara-nitoetra intsony izy.


Homeko anao sy ny taranaka handimby anao ny tany izay ipetrahanao izao mbola vahiny izao, dia ny tany Kanaana manontolo hananany azy mandrakizay, ary Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo.»


Homeny anao anie ny fanasoavana an’i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao, mba hanananao ny tany itoeranao, izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.»


Ka izahay dia vahiny sy voanjo ihany eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra; ary ny andronay eto an-tany dia tahaka ny aloka ihany, ka tsy misy azo antenaina.


Raha faizinao ny olona, ka manasazy azy amin’ny fahadisoany Ianao, dia mandrava izay maminy indrindra, toy ny kalalao Ianao. Eny, tso-drivotra foana ny olombelona. - Selà


ary aza manorina trano, na mamafy voan-javatra, na mamboly voaloboka, na manana izany akory; fa aoka hitoetra an-day amin’ny andro rehetra iainanareo, mba ho velona mandritra ny andro maro amin’ny tany izay ipetrahanareo toy ny vahiny ianareo.›


Ny finoana no nitoerany tany amin’ny tany nampanantenaina toy ny any an-tany fivahiniana, tranolay no nitoerany; toy izany koa i Isaaka sy i Jakôba izay mpandova izany teny nampanantenaina izany koa;