Novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra koa i Hemora sy i Sikema, zanany, ary naka an’i Dinà tao an-tranon’i Sikema izy, dia lasa nivoaka.
Genesisy 34:25 - Baiboly Katolika Nony tamin’ny andro fahatelo, raha ilay narary iny izy ireo, dia samy naka ny sabany avy ny zanak’i Jakôba roalahy, i Simeôna sy i Levỳ, anadahin’i Dinà, ka niakatra tsy aman-tahotra tao an-tanàna, namono ny lehilahy rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa tamin’ny andro fahatelo, rehefa ilay nanaintaina mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak’i Jakoba roa lahy, dia i Simeona sy i Levy, anadahin’i Dina, ka niakatra mora tao an-tanàna dia namono ny lehilahy rehetra tao. DIEM PROTESTANTA Tamin’ny andro fahatelo taorian’izany, raha mbola nararim-pery mafy iny ireo lehilahy ireo, dia nandray sabatra ny zanakalahin’i Jakôba, dia i Simehôna sy i Levỳ anadahin’i Dinà, ka niditra an-tsokosoko tao an-tanàna, ary nandringana ny lehilahy rehetra tao; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’ny andro fahatelo taorian’izany, raha mbola nararim-pery mafy iny ireo lehilahy ireo, dia nandray sabatra ny zanakalahin’i Jakôba, dia i Simehôna sy i Levỳ anadahin’i Dinà, ka niditra an-tsokosoko tao an-tanàna, ary nandringana ny lehilahy rehetra tao; Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony tamin’ny andro fahatelo, rehefa ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak’i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin’i Dina, ka niakatra sahisahy tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao. Malagasy Bible Ary nony tamin'ny andro fahatelo, rehefa ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak'i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin'i Dina, ka niakatra sahisahy tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao. La Bible en Malgache Fa tamin’ny andro fahatelo, rehefa ilay nanaintaina mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak’i Jakoba roa lahy, dia i Simeona sy i Levy, anadahin’i Dina, ka niakatra mora tao an-tanàna dia namono ny lehilahy rehetra tao. |
Novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra koa i Hemora sy i Sikema, zanany, ary naka an’i Dinà tao an-tranon’i Sikema izy, dia lasa nivoaka.
Tsy namaly araka ny soa noraisiny anefa i Ezekiasa fa nisondrotra ny fanahiny, ka niharan’ny fahatezeran’i Iaveh izy mbamin’i Jodà sy i Jerosalema.
koa ankehitriny vonoy ny lahy rehetra amin’ireo ankizy madinika ireo, vonoy koa ny vehivavy rehetra efa nandry tamin-dehilahy,
Nandroso hamely an’i Madiàna izy, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy, ka novonoiny avokoa ny lahy rehetra.
Satria efapolo taona no nandehanan’ny zanak’i Israely tany an’efitra, mandra-pahalàny ritra ny firenena rehetra, dia ny mpiantafika rehetra nivoaka avy tany Ejipta, fa tsy nihaino ny feon’i Iaveh, ka efa nianianan’i Iaveh taminy fa izy ireo tsy havelany hahita ny tany izay nianianany tamin’ny razanay homena antsika, tany tondra-dronono sy tantely.
Nony tapitra voafora avokoa ny firenena rehetra dia nijanona teo amin’izay nitoerany tao an-toby izy aloha, mandra-pahasitrany.