Ary nandefa iraka hialoha azy i Jakôba, ho any amin’i Esao, rahalahiny, any amin’i Seira any an-tsahan’i Edôma
Genesisy 33:14 - Baiboly Katolika Ka aoka ny tompoko hialoha ny mpanompony; fa izaho kosa hanaraka miadana, araka ny dian’ny biby fiompy izay mandeha eo alohako, sy ny dian’ny ankizy, mandra-pahatongako any amin’ny tompoko any Seira.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Trara antitra ianao, aoka Itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho kosa dia handeha miadana, araka izay dian’ny omby aman’ondry izay ho eo alohako sy ny dian’ny zaza, mandra-pahatongako any amin’ny tompokolahy any Seìra. DIEM PROTESTANTA Koa mandehana mialoha, tompokolahy, fa izaho mpanomponao hanaraka miadana ny dian’ny biby fiompy sy ny zaza mandra-pahatonganay any aminao any Sehira. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa mandehana mialoha, tompokolahy, fa izaho mpanomponao hanaraka miadana ny dian’ny biby fiompy sy ny zaza mandra-pahatonganay any aminao any Sehira. Baiboly Protestanta Malagasy Trarantitra hianao, aoka itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho handeha miadana araka izay dian’ny omby aman-ondry, izay ho eo alohako, sy ny dian’ny zaza, mandra-pahatongako any amin’itompokolahy any Seïra. Malagasy Bible Trarantitra ianao, aoka itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho handeha miadana araka izay dian'ny omby aman'ondry, izay ho eo alohako, sy ny dian'ny zaza, mandra-pahatongako any amin'itompokolahy any Seira. La Bible en Malgache Trara antitra ianao, aoka Itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho kosa dia handeha miadana, araka izay dian’ny omby aman’ondry izay ho eo alohako sy ny dian’ny zaza, mandra-pahatongako any amin’ny tompokolahy any Seìra. |
Ary nandefa iraka hialoha azy i Jakôba, ho any amin’i Esao, rahalahiny, any amin’i Seira any an-tsahan’i Edôma
Nomeny teny ireo nataony hoe: «Izao no holazainareo amin’ny tompoko, amin’i Esao: ‹Izao no tenin’i Jakôba mpanomponao: Nitoetra tany amin’i Labàna aho ary nijanona tany, mandrak’ankehitriny.
Hoy ny navalin’i Jakôba: «Fantatry ny tompoko, fa ny ankizy mbola malemilemy; sady betsaka ny ondry aman’omby vavy mbola mitaiza entiko koa; raha korodonina indray andro monja ireo, dia ho levona ny biby fiompy rehetra.
Ankehitriny, indreo ny taranak’i Amôna sy i Moaba mbamin-dry zareo avy any an-tendrombohitra Seira, izay tsy navelanao hidiran’i Israely fony izy avy any amin’ny tany Ejipta, ka nivily izy, fa tsy nandrava azy.
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy; handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono.
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho i Moaba sy i Seira manao hoe: «Indro ny taranak’i Jodà fa sahala amin’izao firenena rehetra izao ihany.»
Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy, araka izay takatry ny sain’izy ireo.
Isika izay matanjaka dia tokony handefitra ny fahalemen’izay osa, fa tsy hanao izay mahafaly ny tenantsika fotsiny.
Ronono no nomeko hosotroinareo, fa tsy ventin-kanina mahery, satria tsy mbola nahazaka izany ianareo, sady tsy mbola mahazaka ankehitriny aza, noho ianareo mbola ara-batana.
Dia nivily lalana isika, ka nandeha ho any an’efitra, amin’ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena, araka ny nandidian’i Iaveh ahy, ary ela isika no nihodina manodidina ny tendrombohitra Seira.
Iaveh ô, fony ianao nivoaka avy any Seira, nony nandroso avy any an-tsahan’i Edôma, nihorohoro ny tany, ny lanitra aza nitsonika, ary nitsonika ho rano ny rahona.