Dia tonga mpanankarena fatratra ralehilahy, fa nananany betsaka ny biby fiompy, ny mpanompo lahy sy vavy, ary ny rameva aman’ampondra.
Genesisy 33:11 - Baiboly Katolika Koa raiso ny fanatitro izay nentina teny aminao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka tsy orin’inon’inona aho.» Dia notereny mafy teo i Esao, ka nandray. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Trara antitra ianao, raiso re ny saotra avy amiko izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra ka manana ny zavatra rehetra aho. Dia nanery azy i Jakoba ka nandray ihany i Esao. DIEM PROTESTANTA Koa miangavy aho, raiso ny fanomezana izay nampitondraiko ho anao satria efa nanisy soa ahy Andriamanitra ka manana ny ilaiko rehetra aho. Niangavy azy mafy i Jakôba, ka dia noraisiny ihany ny fanomezana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa miangavy aho, raiso ny fanomezana izay nampitondraiko ho anao satria efa nanisy soa ahy Andriamanitra ka manana ny ilaiko rehetra aho. Niangavy azy mafy i Jakôba, ka dia noraisiny ihany ny fanomezana. Baiboly Protestanta Malagasy Trarantitra hianao, raiso re ny saotro izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka manam-be aho. Dia nanery azy izy, ka dia noraisiny ihany ny zavatra. Malagasy Bible Trarantitra ianao, raiso re ny saotro izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka manam-be aho. Dia nanery azy izy, ka dia noraisiny ihany ny zavatra. La Bible en Malgache Trara antitra ianao, raiso re ny saotra avy amiko izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra ka manana ny zavatra rehetra aho. Dia nanery azy i Jakoba ka nandray ihany i Esao. |
Dia tonga mpanankarena fatratra ralehilahy, fa nananany betsaka ny biby fiompy, ny mpanompo lahy sy vavy, ary ny rameva aman’ampondra.
Dia nandroso nialoha ny fanomezana, fa izy mbola nijanona teo amin’ny toby ihany, ny alin’iny.
Ary hoy i Jakôba: «Tsia, fa miangavy aminao, raha mba nahita fitia teo imasonao ihany aho, raiso avy amin’ny tanako ny fanomezako; fa izany no nahitako ny tavanao hoatra ny mahita ny Tavan’Andriamanitra, ary efa mba tsara koa ny nandraisanao ahy.
Nefa mbola noteren’izy ireny mafy ihany ka safo-kenatra aza izy, ka nanao hoe: «Iraho izy.» Dia nirahin’izy ireo izy dimampolo lahy, ka nikaroka hateloana, nefa tsy nahita azy.
Ary hoy i Naamàna: «Aoka re ho talenta roa no horaisinao.» Sady nanery azy izy no nanisika tao anaty lasàka roa ny talenta roa mbamin’ny fitafiana indroa miova, dia napetrany tamin’ny mpanompony roa lahy izay hoentiny eo alohan’i Giezỳ.
Dia hoy ny tompo tamin’ilay ankizy lahy: ‹Mandehana mankeny amin’ny lalam-be sy ny fefim-boly, ka tereo ny olona hiditra mba ho feno ny tranoko.
ho ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; ho mahantra, nefa nampanan-karena ny maro; ho tsy manana na inona na inona, nefa manana ny zavatra rehetra.
Efa miadana aho izao, ary manana ny ampy sy feno mihitsy, nahazo ny zavatra nampanaterinareo an’i Epafrôdita, izay toy ny zava-mani-pofona sy fanatitra ankasitrahin’Andriamanitra, raisiny an-kafaliana.
Satria ny asa ara-batana dia mahasoa kely foana, fa ny fivavahana no mahasoa amin’ny zavatra rehetra, izy no manana ny teny fampanantenana, na amin’ny fiainana ankehitriny, na amin’ny fiainana ho avy.
Ary izao no navaliny: «Mba omeo fanomezana aho, tany tsy misy rano no namponenanao ahy; ka mba omeo loharano koa aho.» Dia nomeny ny loharano ambony sy ny loharano ambany izy.
Ary hoy ny navaliny azy: «Omeo tombom-pitia aho, fa tany tsy misy rano no nametrahanao ahy, ka mba omeo loharano aho.» Dia nomen’i Kaleba ny loharano ambony sy ny loharano ambany izy.
Izao fanatitra entin’ny mpanomponao amin’ny tompoko izao, dia raiso ary aoka hozaraina amin’ny zatovo manaraka ny tompoko.
Nony tafaverina tany Sikelega i Davida dia nampanaterany ho an’ny loholon’i Jodà, sakaizany, ny babo azony, nataony hoe: «Iny fanatitra ho anareo, avy amin’ny babo azo tamin’ny fahavalon’i Iaveh;