ary efa naneho hatsaram-po lehibe tamin’ny mpanomponao ianao, tamin’ny namelomanao ny aiko; nefa tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fa atahorako mihitsy ny ho tratry ny fandravana, ka ho faty.
Genesisy 33:10 - Baiboly Katolika Ary hoy i Jakôba: «Tsia, fa miangavy aminao, raha mba nahita fitia teo imasonao ihany aho, raiso avy amin’ny tanako ny fanomezako; fa izany no nahitako ny tavanao hoatra ny mahita ny Tavan’Andriamanitra, ary efa mba tsara koa ny nandraisanao ahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy i Jakoba: Trara antitra ianao, aza miteny an’izany! Raha mba mahita fitia eto imasonao aho dia raiso avy amiko ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao tahaka ny mahita ny tavan’Andriamanitra aho sady efa nahita sitraka taminao. DIEM PROTESTANTA Dia novalian’i Jakôba hoe: –Aza manao izany re ianao, fa raha mba sitrakao ihany aho, dia raiso ny fanomezana natolotro anao. Fa raha nahita tava anao aho teo, dia hoatry ny nahita ny tavan’Andriamanitra, noho ianao tsara fandray ahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia novalian’i Jakôba hoe: –Aza manao izany re ianao, fa raha mba sitrakao ihany aho, dia raiso ny fanomezana natolotro anao. Fa raha nahita tava anao aho teo, dia hoatry ny nahita ny tavan’Andriamanitra, noho ianao tsara fandray ahy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jakoba: Trarantitra hianao, aza an’izany; raha mba mahita fitia eto imasonao aho, dia raiso amin’ny tànako ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao aho tahaka ny mahita ny tavan’Andriamanitra, ary efa sitrakao aho. Malagasy Bible Ary hoy Jakoba: Trarantitra ianao, aza an'izany; raha mba mahita fitia eto imasonao aho, dia raiso amin'ny tanako ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao aho tahaka ny mahita ny tavan'Andriamanitra, ary efa sitrakao aho. La Bible en Malgache Hoy i Jakoba: Trara antitra ianao, aza miteny an’izany! Raha mba mahita fitia eto imasonao aho dia raiso avy amiko ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao tahaka ny mahita ny tavan’Andriamanitra aho sady efa nahita sitraka taminao. |
ary efa naneho hatsaram-po lehibe tamin’ny mpanomponao ianao, tamin’ny namelomanao ny aiko; nefa tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fa atahorako mihitsy ny ho tratry ny fandravana, ka ho faty.
Ary nataon’i Jakôba hoe Fanoely ny anaran’io tany io, fa hoy izy: «Efa nahita an’Andriamanitra nifanatrika aho, nefa velona ihany ny aiko.»
Koa raiso ny fanatitro izay nentina teny aminao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka tsy orin’inon’inona aho.» Dia notereny mafy teo i Esao, ka nandray.
Ka hoy i Jodà namaly azy: «Efa nilaza mazava taminay ralehilahy, nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.
Nony efa akaiky ny fara andron’i Israely dia nampaka an’i Josefa zanany izy, nanao taminy hoe: «Raha mba nahita fitia teo imasonao koa aho masìna ianao, ataovy ato ambany feko ny tananao, ataovy amiko amin-kazavam-po sy fahamarinana izao: aza alevina aty Ejipta aho,
Nony tapitra ny andro nisaonany azy, dia niteny i Josefa tamin’ny olona ao an-tranon’i Faraôna nanao hoe: «Raha mba nahita fitia teo imasonareo koa aho, dia mba lazao kely ho henon’i Faraôna izao:
Fa hoy ny mpanjaka: «Aoka ho any an-tranony izy, ka tsy hahita ny tavako.» Dia nankany an-tranony i Absalôma, ka tsy nahita ny tavan’ny mpanjaka.
Hoy ny navalin’i Absalôma tamin’i Jôaba: «Indro fa naniraka hilaza aminao aho hoe: Avia atỳ fa hirahiko ho any amin’ny mpanjaka ianao, hanao aminy hoe: Haninona aho no niverina avy any Gesora? Tsaratsara kokoa ho ahy ny mbola any ihany. Koa ankehitriny dia te hahita ny tavan’ny mpanjaka aho, ary raha misy heloka atỳ amiko dia aoka hovonoiny aho!»
Ary novaliany hoe: «Tsara izany; hanao fanekena aminao aho, fa zavatra iray loha no angatahiko aminao, dia ny tsy hahitanao ny tavako raha tsy entinao atỳ amiko i Mikola zanaka vavin’i Saola rehefa ho avy ianao hifankahita tava amiko.»
Mivavaka amin’Andriamanitra izy, ary Andriamanitra manambina azy; mibanjina ny tavany amim-piravoravoana izy, ary ny Tsitoha mamerina aminy ny fahamarinany.
Fa Ianao ry Iaveh, mamindrà fo amiko, areno aho, dia hamaly azy ireo araka ny tandrify azy.
Izao no lazain’i Iaveh: Nahita fitia tany an’efitra ny vahoaka afaka tamin’ny sabatra; ta-hanome fitsaharana an’i Israely aho.
Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza; fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra.
Tamin’izay dia nidaboka razazavavy ka niankohoka tamin’ny tany, ka nanao taminy hoe: «Inona no mba nahitako fitia teo imasonao, ka hiheveranao ahy izay vahiny fotsiny iny?»
Fa namaly tamim-pianianana i Davida nanao hoe: «Fantatry ny rainao marimarina, fa nahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr’i Jônatasy izany, fandrao malahelo izy. Kanefa toy ny mahavelona an’i Iaveh sy ny mahavelona ny ainao dia marina raha tsy iray dia monja no elanelako amin’ny fahafatesana!»