Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Apokalipsy 22:4 - Baiboly Katolika

4 sady hahita ny tavany sy hanana ny Anarany eo an-kandriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin’ny handriny.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 sy hahita ny tavany ary hanana ny anaran’Andriamanitra voasoratra eo amin’ny handriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 sy hahita ny tavany ary hanana ny anaran’Andriamanitra voasoratra eo amin’ny handriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin’ny handriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 22:4
18 Rohy Ifampitohizana  

Mivavaka amin’Andriamanitra izy, ary Andriamanitra manambina azy; mibanjina ny tavany amim-piravoravoana izy, ary ny Tsitoha mamerina aminy ny fahamarinany.


Fa izaho kosa dia hibanjina ny Tavanao amin’ny tsy fananako tsiny; sy hiala liana mijery ny sarinao amin’ny fifohazako.


Manatera sorom-pahamarinana, ary matokia an’i Iaveh.


Toy ny anirian’ny serfa ny loharano no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô!


Ny masonao hibanjina ny mpanjaka amin’ny tarehiny, hahatsinjo tany midadasika lasa lavitra.


ary hamony tahaka ny narsisa; hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana ary hanao hoby firavoravoana izy. Homena azy ny voninahitr’i Libàna mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna. Izy ireo hahita ny voninahitr’i Iaveh, sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.


Dia hiseho ny voninahitr’i Iaveh, ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kavanavaka fa ny vavan’i Iaveh no efa niteny.»


Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:


Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy.


Raha misy manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa. Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy.


Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy, satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao.


Ankehitriny mizaha ao amin’ny fitaratra isika, ka tsy mahita mazava; fa rahatrizay, hifanatrika; ankehitriny, tapany no fantatro; fa rahatrizay hahalala tsara toy ny nahafantarana ahy aho.


Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo.


Nijery indray aho, ka indro nitsangana teo an-tendrombohitr’i Siôna ny Zanak’ondry; olona 144.000 no nanaraka Azy, ary voasoratra teo an-kandrin’ireo ny Anarany sy ny Anaran-dRainy.


Izay handresy dia hataoko andry eo amin’ny Tempolin’Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; ary hosoratako eo aminy ny Anaran’ny Andriamanitro, sy ny anaran’ny tanànan’ny Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra, avy amin’Andriamanitro, sy ny Anarako vaovao.


nanao hoe: «Aza manimba ny tany na ny ranomasina na ny hazo, mandra-panisinay fitomboka eo amin’ny handrin’ny mpanompon’Andriamanitsika.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra