dia ataovy hoe: ‹Indro, i Jakôba, mpanomponao, tamy ao aorianay ao koa!› » Fa hoy izy anakampony: «Hotoneko amin’ireo fanomezana eo alohako ireo ny fahatezerany, vao hahita ny tavany aho, ka angamba horaisiny tsara aho.»
Genesisy 32:21 - Baiboly Katolika Dia nandroso nialoha ny fanomezana, fa izy mbola nijanona teo amin’ny toby ihany, ny alin’iny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary lazao koa hoe: Indro i Jakoba mpanomponao ao aoriananay ao. Fa hoy ny eritreriny: Hampionona ny fahatezerany aho amin’ireo zavatra nampialohaviko ireo ka aorianan’izany vao hahita ny tavany aho; koa angamba hahazo fitia aminy aho! DIEM PROTESTANTA sady hampianareo hoe: «Indro i Jakôba mpanomponao manaraka ao aorianay ao.» I Jakôba manko dia niteny anakampo hoe: «Hampitoneko amin’ireo fanomezana alefako mialoha ahy ireo izy, ka aorian’izay vao hiseho eo anatrehany aho; antenaiko fa ho tsara fandray ahy izy.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara sady hampianareo hoe: «Indro i Jakôba mpanomponao manaraka ao aorianay ao.» I Jakôba manko dia niteny anakampo hoe: «Hampitoneko amin’ireo fanomezana alefako mialoha ahy ireo izy, ka aorian’izay vao hiseho eo anatrehany aho; antenaiko fa ho tsara fandray ahy izy.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary lazao hoe koa: Indro, Jakoba mpanomponao ao aorianay ao. Fa hoy izy: Hampionona ny hatezerany aho amin’ireo zavatra nampialohaiko ireo, ary rehefa afaka izany, dia vao hahita ny tavany aho; angamba hahazo fitia aminy aho. Malagasy Bible Ary lazao hoe koa: Indro, Jakoba mpanomponao ao aorianay ao. Fa hoy izy: Hampionona ny hatezerany aho amin'ireo zavatra nampialohaviko ireo, ary rehefa afaka izany, dia vao hahita ny tavany aho; angamba hahazo fitia aminy aho. La Bible en Malgache Ary lazao koa hoe: Indro i Jakoba mpanomponao ao aoriananay ao. Fa hoy ny eritreriny: Hampionona ny fahatezerany aho amin’ireo zavatra nampialohaviko ireo ka aorianan’izany vao hahita ny tavany aho; koa angamba hahazo fitia aminy aho! |
dia ataovy hoe: ‹Indro, i Jakôba, mpanomponao, tamy ao aorianay ao koa!› » Fa hoy izy anakampony: «Hotoneko amin’ireo fanomezana eo alohako ireo ny fahatezerany, vao hahita ny tavany aho, ka angamba horaisiny tsara aho.»
Tamin’iny alina iny ihany dia nitsangana izy, nalainy ny vadiny roa sy ny ankiziny roa vavy ary ny zanany iraika ambin’ny folo lahy: dia nita tamin’ny fitàna tao Jabaoka izy.
Koa raiso ny fanatitro izay nentina teny aminao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka tsy orin’inon’inona aho.» Dia notereny mafy teo i Esao, ka nandray.
Ka dia hoy i Israely rainy, tamin’izy ireo: «Ilaina àry izany, ka dia izao no ataovy: Angalao avokoa ny vokatra malaza amin’ny tany, ataovy ao anaty fitondran’entanareo dia ento hatao fanomezana ho an-dralehilahy: ditin-kazo manitra kely, tantely kely, astragala, ladanôma, voanjo, amandy.
Vato soa ho an’izay manana azy ny fanatitra, ka amin’izay itodihany ahombiazany avokoa.
Dia nalefan’i Jôsoe izy ireo ka lasa naka toerana hiotrika tao anelanelan’i Betela sy i Haia, tao andrefan’i Haia. Ary i Jôsoe kosa nitoetra teo amin’ny vahoaka ihany tamin’iny alina iny.
dia hoy izy tamin’ireto zatovony: «Mandehana eo alohako ianareo, fa aorianareo aho manaraka». Tsy nilaza na inona na inona tamin’i Nabala vadiny anefa izy.