Genesisy 32:1 - Baiboly Katolika Dia nanohy ny diany i Jakôba ary ny Anjelin’Andriamanitra nifanena taminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nifoha vao maraina i Labana dia nanoroka ny zanany lahy sy ny zanany vavy ka nitsodrano azy, dia lasa nandeha nody any amin’ny fonenany. DIEM PROTESTANTA Nifoha maraina koa i Labàna ny ampitso, dia nanoroka ireo zanany vavy sy ireo zafikeliny, ka nanao veloma azy ary niverina nody. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nifoha maraina koa i Labàna ny ampitso, dia nanoroka ireo zanany vavy sy ireo zafikeliny, ka nanao veloma azy ary niverina nody. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nifoha maraina koa Labana, dia nanoroka ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy ka nitso-drano azy; dia lasa nandeha Labana nody any amin’ny fonenany. Malagasy Bible Ary nifoha maraina koa Labana, dia nanoroka ny zananilahy sy ny zananivavy ka nitso-drano azy; dia lasa nandeha Labana nody any amin'ny fonenany. La Bible en Malgache Ary nifoha vao maraina i Labana dia nanoroka ny zanany lahy sy ny zanany vavy ka nitsodrano azy, dia lasa nandeha nody any amin’ny fonenany. |
Nitso-drano an-dRebekà izy, ka nanao taminy hoe: «Ho tonga alinalina anie ianao, ranabavy! Ary hahazo ny vavahadin’ny fahavalony anie ny taranakao!»
Tsy mba navelanao akory aho hanoroka ny zanako lahy aman-janako vavy! Marina raha tsy nanao toy ny adala mihitsy ianao.
Niantso ity olo-mahantra, dia nohenoin’i Iaveh, sy novonjeny tamin’ny fahoriany rehetra.
Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin’izay alehanao rehetra:
fa anareo ny zavatra rehetra, na i Paoly, na i Apôlô, na i Sefasy, na izao tontolo izao, na ny fiainana ny zavatra ho avy: anareo avokoa izany rehetra izany;
Dia izany no naseho ankehitriny izao tamin’ny alalan’ny Eglizy, ka tonga fantatr’ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra ny fahaizan’Andriamanitra mamoron-kevitra,
ka natao ambonin’ny Anjely, arakaraka ny fahambonian’Anarana nolovany, fa tsy tahaka ny azy ireo.