Nasiany soa i Abrama noho ny amin-dravehivavy, ka nahazo ondry, omby, ampondra, mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ampondra vavy sy rameva.
Genesisy 30:43 - Baiboly Katolika Dia tonga mpanankarena fatratra ralehilahy, fa nananany betsaka ny biby fiompy, ny mpanompo lahy sy vavy, ary ny rameva aman’ampondra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nitombo harena aoka izany Ralehilahy ka nanana ondry aman’osy betsaka ary mpanompovavy sy mpanompolahy ary rameva sy boriky. DIEM PROTESTANTA Ary nitombo harena fatratra i Jakôba ka nanana andian’ondry aman’osy be sy mpanompo vavy sy lahy maro ary rameva sy boriky betsaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nitombo harena fatratra i Jakôba ka nanana andian’ondry aman’osy be sy mpanompo vavy sy lahy maro ary rameva sy boriky betsaka. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nitombo harena indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman-osy betsaka ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy boriky. Malagasy Bible Dia nitombo harena indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman'osy betsaka ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy boriky. La Bible en Malgache Nitombo harena aoka izany Ralehilahy ka nanana ondry aman’osy betsaka ary mpanompovavy sy mpanompolahy ary rameva sy boriky. |
Nasiany soa i Abrama noho ny amin-dravehivavy, ka nahazo ondry, omby, ampondra, mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ampondra vavy sy rameva.
Ny tompoko efa nasian’i Iaveh soa be indrindra, ka efa tonga olona be fahefana izy; fa nomeny ondry sy omby, ary mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ary rameva aman’ampondra.
Indro Aho momba anao, ka hiaro anao any amin’izay halehanao rehetra, sy hampody anao indray amin’ity tany ity. Fa tsy handao anao Aho, mandra-pahatanterako izay voalazako taminao.»
Fa kely ny fanananao talohan’ny nahatongavako: ary efa nitombo be dia be izy izao, ka nambinin’i Iaveh ianao, tamin’ny nalehako. Ary ankehitriny, rahoviana kosa no mba hihariako ho an’ny ankohonako?»
fa raha osaosa kosa ny ondry dia tsy mba nataony tao ireny; ka dia ny zanak’ondry osaosa no an’i Labàna, fa ny matanjaka kosa an’i Jakôba.
Ren’i Jakôba fa ny zanakalahin’i Labàna dia nanao vava hoe: «Lasan’i Jakôba avokoa izay nananan-draintsika; ary avy amin’ny ananan-draintsika no nahazoany izao fananany rehetra izao.»
Raha tsy ny Andriamanitry ny raiko, dia ny Andriamanitr’i Abrahama sy Ilay atahoran’i Isaaka, no nomba ahy, tsy maintsy ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran’ny tanako Andriamanitra, ka nitsara antsika izy halina.»
Kely tsinontsinona aho, ka tsy mendrika ny fahasoavana amam-pahamarinana rehetra nataonao tamin’ny mpanomponao, fa ny tehiko ihany no tatỳ amiko nony nita ity Jordany ity aho; nefa indro efa tonga antokon’olona roa aho ankehitriny.
Efa manana omby aman’ampondra sy ondry, ary mpanompo lahy amana vavy aho, ary mampilaza izany amin’ny tompoko, mba hahitako fitia eo imasonao.› »
Koa raiso ny fanatitro izay nentina teny aminao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka tsy orin’inon’inona aho.» Dia notereny mafy teo i Esao, ka nandray.
Fa efa samy be loatra ny haren’izy ireo ka tsy nahazo niara-monina intsony izy, fa tsy omby azy ireo intsony ny tany nonenany, noho ny biby fiompiny.
Nividy ankizy lahy aman’ankizy vavy aho, ary nanana ny zanany teraka tao an-trano ihany; nanana andian’ondry aman’omby koa aho, mihoatra noho ireo rehetra izay talohako teto Jerosalema.
Tsy hitondra kitay hazo avy any an-tsaha intsony izy ireo, na hikapa hazo any an’ala, fa ny fiadiana no hatainy; hamabo an’izay namabo azy izy; ary handroba an’izay nandroba azy, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Fa raha izany mpanompo izany kosa, no manao anakampo hoe: ‹Ela vao ho avy ny tompoko› ka amin’izany dia mikapoka ny ankizy lahy sy ny ankizy vavy izy, sady mihinana sy misotro ka mamo,