dia napetrany teny amin’ny tatatra, teny amin’ny fisotroan-drano fisotron’ny ondry, ny tsora-kazo voavaofy, nataony talaky mason’ny ondry; fa nitady hikambana ireny nony tonga hisotro,
Genesisy 30:39 - Baiboly Katolika ka nikambana teo anoloan’ny tsora-kazo ny ondry, dia teraka sadika sy mara ary sada. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nikambana tandrifin’ny tsorakazo ny ondry aman’osy ka niteraka vandana sy mara ary sada. DIEM PROTESTANTA Dia nikambana teo anoloan’ireo tsora-kazo ireo ny ondry aman’osy ka niteraka sadìka sy maramara ary sada. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nikambana teo anoloan’ireo tsora-kazo ireo ny ondry aman’osy ka niteraka sadìka sy maramara ary sada. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nikambana tandrifin’ny tsora-kazo ny ondry aman-osy ka niteraka sadika sy mara ary sada. Malagasy Bible Dia nikambana tandrifin'ny tsorakazo ny ondry aman'osy ka niteraka sadika sy mara ary sada. La Bible en Malgache Nikambana tandrifin’ny tsorakazo ny ondry aman’osy ka niteraka vandana sy mara ary sada. |
dia napetrany teny amin’ny tatatra, teny amin’ny fisotroan-drano fisotron’ny ondry, ny tsora-kazo voavaofy, nataony talaky mason’ny ondry; fa nitady hikambana ireny nony tonga hisotro,
Navahan’i Jakôba ny zanak’ondry, ary ny biby fiompy dia nataony nanatrika ny sadika sy ny mainty rehetra amin’ny biby fiompy ananan’i Labàna. Izany no nahazoany andiam-biby fiompy ho an’ny tenany, ka tsy nakambany tamin’ny biby fiompin’i Labàna.
Roapolo taona izao no nitoerako tao aminao: ny ondry aman’osy vavinao tsy nisy namotsotra; ny ondry lahy ao amin’ny biby fiompinao tsy nohaniko.
Ny antoandro aho matin’ny hainandro; ny alina matin’ny hatsiaka, ary ny torimaso nanalavitra ny masoko.
Raha tsy ny Andriamanitry ny raiko, dia ny Andriamanitr’i Abrahama sy Ilay atahoran’i Isaaka, no nomba ahy, tsy maintsy ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran’ny tanako Andriamanitra, ka nitsara antsika izy halina.»
Fa raha nataony hoe: Ny ondry mara rehetra no ho karamanao, dia mara daholo ny terak’ondry; ary raha nataony hoe: ny sadika rehetra no ho karamanao, dia sadika avokoa ny terak’ondry.