Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 30:39 - DIEM PROTESTANTA

39 Dia nikambana teo anoloan’ireo tsora-kazo ireo ny ondry aman’osy ka niteraka sadìka sy maramara ary sada.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

39 Nikambana tandrifin’ny tsorakazo ny ondry aman’osy ka niteraka vandana sy mara ary sada.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

39 Dia nikambana teo anoloan’ireo tsora-kazo ireo ny ondry aman’osy ka niteraka sadìka sy maramara ary sada.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

39 ka nikambana teo anoloan’ny tsora-kazo ny ondry, dia teraka sadika sy mara ary sada.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

39 Dia nikambana tandrifin’ny tsora-kazo ny ondry aman-osy ka niteraka sadika sy mara ary sada.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

39 Dia nikambana tandrifin'ny tsorakazo ny ondry aman'osy ka niteraka sadika sy mara ary sada.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 30:39
8 Rohy Ifampitohizana  

Napetrany tao amin’ny tavy fisotroan-drano ireny, teo anoloan’ireo biby izay maimay hikambana rehefa tonga hisotro rano.


Ary ireo ondry efa navahan’i Jakôba dia natodiny hijery ny sadika sy maramara rehetra teo amin’ny biby fiompin’i Labàna. Natokan’i Jakôba ny ondry aman’osy ho an’ny tenany fa tsy navelany hifangaro tamin’ny an’i Labàna.


Roapolo taona izao no efa niarahako taminao, nefa ny ondrivavinao aman’osivavinao tsy mba namotsotra; sady tsy mbola nihinana ondrilahy tamin’ny andian’ondrinao na oviana na oviana aho.


Niaritra ny hafanana amin’ny antoandro aho, ary jihitry ny hatsiaka amin’ny alina ka tsy nopizin-tory akory.


Raha tsy nomba ahy ny Andriamanitr’i Abrahama raibeko, ilay Andriamanitra nampihorohoro an’i Itsehàka, dia ho nalefanao nitondra tanam-polo aho ankehitriny. Fa nahita ny fijaliako sy ny hasasarako Andriamanitra ka nananatra anao halina.


Raha nilaza izy hoe: «Ny biby maramara rehetra no ho karamanao,» dia niteraka maramara avokoa ny ondry aman’osy vavy rehetra. Ary raha hoy indray izy hoe: «Ny sadìka no karamanao,» dia niteraka sadìka avokoa ny ondry aman’osy vavy rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra