Dia navoakan’i Iaveh Andriamanitra hiala tao amin’ny sahan’i Edena izy, mba hiasa ny tany izay nangalana azy.
Genesisy 3:24 - Baiboly Katolika Ka noroahiny ny olombelona ary nametrahany ny Kerobima sy ny lelafon-tsabatra mihebiheby teo atsinanan’ny sahan’i Edena, mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan’ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon’ny sabatra mihodinkodina hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina. DIEM PROTESTANTA Rehefa avy nandroaka ny olombelona Izy, dia nametraka teo atsinanan’ny zaridaina ireo kerobima, izay mitondra sabatra misy lelafo midedadeda mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa avy nandroaka ny olombelona Izy, dia nametraka teo atsinanan’ny zaridaina ireo kerobima, izay mitondra sabatra misy lelafo midedadeda mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina. Baiboly Protestanta Malagasy Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan’ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon’ny sabatra mihebiheby hiambina ny làlana mankany amin’ny hazon’aina. Malagasy Bible Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan'ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon'ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin'ny hazon'aina. La Bible en Malgache Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan’ny saha Edena ny kerobima* sy ny lelafon’ny sabatra mihodinkodina hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina. |
Dia navoakan’i Iaveh Andriamanitra hiala tao amin’ny sahan’i Edena izy, mba hiasa ny tany izay nangalana azy.
Ary i Adama nahalala an’i Eva vadiny, ka nanana anaka izy, dia niteraka an’i Kaina, sy nanao hoe: «Efa nampisy olona anankiray aho tamin’ny fanampian’i Iaveh.»
Indro roahinao hiala amin’ity tany ity aho ankehitriny ary ho takona ny tavanao aho, lavitra Anao; ary hanjenjena sy hirenireny, eny ambonin’ny tany aho, ary na iza na iza hahita ahy, hamono ahy.»
Mpanjaka i Iaveh; mangovitra ny firenena; mipetraka eo amin’ny Kerobima Izy; mangozohozo ny tany.
«Ilazao ny zanak’i Israely mba hanokan-javatra hafoy ho Ahy, ka horaisinareo amin’izay olona rehetra mahafoy an-tsitrapo malalaka ny zavatra omeny Ahy.
Ary nahita aho, ka indro teo ambonin’ny andohalambo, tambonin’ireo lohan’ny Kerobima, dia nisy hoatra ny vato safira; nisy zavatra mitarehin-tseza fiandrianana no fijery azy, teo ambonin’ireo.
dia natolotro izy ho eo an-tanan’ny andriamanitry ny firenena hataony amin’izay sitrapony; noroahiko izy, noho ny haratsiany.
Hitan’ity ampondra ilay Anjelin’i Iaveh nijanona teo an-dalana sy nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, ka nivily lalana nankany anaty saha izy. Nokapohin’i Balaama ny ampondrany, hampiverenany azy amin’ny lalana indray.
Ary hoy i Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Efa mby akaiky an’i Jerikô i Jôsoe, no nanopy maso nijery, ka indro nisy lehilahy anankiray nitana sabatra voatsoaka nijoro teo anatrehany; dia nanatona azy i Jôsoe, ka nanao taminy hoe: «Momba anay va ianao sa momba ny fahavalo?»
Dia naniraka nankany Silao ny olona, ka nentina avy amin’io tanàna io ny Fiaran’ny Faneken’i Iavehn’ny tafika, izay mipetraka amin’ny Kerobima. Niaraka tamin’ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh Andriamanitra izy mirahalahy zanak’i Helì, dia i Ofnì sy i Finea.