Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 29:2 - Baiboly Katolika

Nitazana izy ka indro lavaka fantsakana anankiray teny an-tsaha, ary indreo nisy ondry telo dia, nandry teo anilany, fa teo amin’izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan-drano ny biby fiompy, ary lehibe ny vato teo ambonin’ny vava lavaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nahita lavaka fantsakana iray tany an-tsaha izy; ary indro, nisy ondry aman’osy andiany telo nandry teo anilany, fa teo amin’izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan’ny olona ny andian’ondry aman’osy. Nisy vato lehibe teo am-bavan’ny fantsakana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Indray andro izy, dia nahatazana fantsakana teny an-tsaha, ary indreo nisy ondry aman’osy andiany telo nandry teo anilany, fa io fantsakana io no fampisotroana ny biby fiompy. Misy vato lehibe manarona ny vavan’ny fantsakana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Indray andro izy, dia nahatazana fantsakana teny an-tsaha, ary indreo nisy ondry aman’osy andiany telo nandry teo anilany, fa io fantsakana io no fampisotroana ny biby fiompy. Misy vato lehibe manarona ny vavan’ny fantsakana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman-osy telo-dia nandry teo anilany; fa teo amin’izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan’ny olona ny andian’ny ondry aman-osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan’ny fantsakana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman'osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin'izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan'ny olona ny andian'ny ondry aman'osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan'ny fantsakana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nahita lavaka fantsakana iray tany an-tsaha izy; ary indro, nisy ondry aman’osy andiany telo nandry teo anilany, fa teo amin’izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan’ny olona ny andian’ondry aman’osy. Nisy vato lehibe teo am-bavan’ny fantsakana.

Jereo ny toko



Genesisy 29:2
12 Rohy Ifampitohizana  

Naka folo tamin’ny ramevan’ny tompony, ilay mpanompo, dia niainga handeha, ary nananany fahefana avokoa ny fananan’ny tompony. Dia nitsangana izy, ka any Mesôpôtamia any an-tanànan’i Nakôra no nalehany.


Nampandohalihiny teo ivelan’ny tanàna anilan’ny lavaka fantsakana ny rameva, nony harivariva tamin’ilay fivoahan’ny vehivavy hantsaka iny;


Indro aho mijanona eto anilan’ny loharano; ary ny zanaka vavin’ny mponina ao an-tanàna hivoaka hantsaka rano,


Tao no niangonan’ny biby fiompy rehetra. Akodia aloha ny vato avy eo ambonin’ny vava lavaka fantsakana, ka ampisotroina ny biby fiompy, dia averina amin’ny fitoerany eo am-bava lavaka fantsakana indray ny vato.


Mampandry ahy eo amin’ny vilona maitso Izy, mitondra ahy ho eo amoron-drano mampangatsiatsiaka;


tsy ho noana izy na hangetaheta, tsy ho tratry ny fasika mahamay, na ny masoandro. Fa ilay mamindra fo aminy no hitarika azy ireo, sy hitondra azy ho eo amin’ny rano miboiboika.


satria ny rano homeko azy, dia ho tonga loharano miboiboika ao anatiny hatrany amin’ny fiainana mandrakizay.»


teo no nisy ny fantsakan’i Jakôba. Ary sasatry ny dia nalehany i Jesoa ka nipetraka tsotra izao teo amoron’ny fantsakana, tokony ho tamin’ny ora fahenina.


Fa ny Zanak’ondry, izay mipetraka eo afovoan’ny seza fiandrianana, no ho Mpiandry azy, sy hitondra azy ho amin’ny loharanon’aina, ary Andriamanitra no hamaoka ny ranomaso rehetra amin’ny masony.»


Aoka ny mpandefa zana-tsipîka eo akaikin’ny rano fisotroam-biby, hankalaza amin’ny feony ny fahamarinan’i Iaveh, dia ny fahamarinana nataony tamin’ny taniny, ao amin’i Israely! Tamin’izay ny vahoakan’i Iaveh nidina ho eny am-bavahadiny.