Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 28:9 - Baiboly Katolika

ka lasa izy nankany amin’i Ismaely, naka an’i Maheleta, zanaka vavin’i Ismaely, zanak’i Abrahama, sy anabavin’i Nabaiôta, ho vadiny, fanampin’ireo efa nananany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia lasa izy nankany amin’Ismaela ka naka vady an’i Mahalata, zanakavavin’Ismaela, zanak’i Abrahama, sady anabavin’i Nebaiota, ho fanampin’ny vady izay efa nananany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Noho izany, dia lasa izy nankany amin’i Jismahela, zanakalahin’i Abrahama, ka naka vady an’i Mahalato zanany vavy sady anabavin’i Nebaiôta, ho fanampin’izay efa nananany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Noho izany, dia lasa izy nankany amin’i Jismahela, zanakalahin’i Abrahama, ka naka vady an’i Mahalato zanany vavy sady anabavin’i Nebaiôta, ho fanampin’izay efa nananany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia lasa Esao nankany amin’Isimaela ka naka an’i Mahalota, zanakavavin’Isimaela, zanak’i Abrahama, sady anabavin’i Nebaiota, ho vadiny, ho fanampin’ny vady izay nananany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia lasa Esao nankany amin'Isimaela ka naka an'i Mahalota, zanakavavin'Isimaela, zanak'i Abrahama, sady anabavin'i Nebaiota, ho vadiny, ho fanampin'ny vady izay nananany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia lasa izy nankany amin’Ismaela ka naka vady an’i Mahalata, zanakavavin’Ismaela, zanak’i Abrahama, sady anabavin’i Nebaiota, ho fanampin’ny vady izay efa nananany.

Jereo ny toko



Genesisy 28:9
6 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa efapolo taona i Esao dia nanambady an’i Jodita, zanak’i Beeri Heteanina, sy Basemata, zanak’i Elôna Heteanina.


Izao kosa no zanaka lahin-dRahoely: I Nahata, i Zara, i Samà, ary i Mezà. Ireo no zanaka lahin’i Basemata, vadin’i Esao.


Zanaka lahin’i Oolibama, vadin’i Esao: i Jehosy loham-pirenena, i Ielona loham-pirenena, ary Kôre, loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena avy amin’i Oolibama, zanaka vavin’i Anà, sy vadin’i Esao.


I Adà, zanaka vavin’i Elôna, Heteanina, i Oolibama, zanaka vavin’i Anà, zanaka lahin’i Sebeôna Heveanina;


ary i Basemata, zanaka vavin’i Ismaely, sady anabavin’i Nabaiôta,