i Abrahama niteraka an’i Isaaka. Ary efa efapolo taona i Isaaka vao nampakatra an-dRebekà, zanak’i Batoela Arameanina any Padan-Arama, sy anabavin’i Labàna Arameanina.
Genesisy 28:7 - Baiboly Katolika «Aza maka vady amin’ny zanaka vavin’i Kanaana, ary nanaiky ny tenin-dray aman-dreniny i Jakôba ka lasa nankany Padan-Arama.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 hitany fa nanaraka ny tenin’ny ray aman-dreniny i Jakoba ka lasa nankany Padana-Arama. DIEM PROTESTANTA Nankatò an-drainy sy reniny tokoa i Jakôba ka lasa nankany Mezôpôtamia ambony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nankatò an-drainy sy reniny tokoa i Jakôba ka lasa nankany Mezôpôtamia ambony. Baiboly Protestanta Malagasy koa Jakoba efa nanaraka ny tenin’ny rainy aman-dreniny ka lasa nankany Mesopotamia; Malagasy Bible koa Jakoba efa nanaraka ny tenin'ny rainy aman-dreniny ka lasa nankany Mesopotamia; La Bible en Malgache hitany fa nanaraka ny tenin’ny ray aman-dreniny i Jakoba ka lasa nankany Padana-Arama. |
i Abrahama niteraka an’i Isaaka. Ary efa efapolo taona i Isaaka vao nampakatra an-dRebekà, zanak’i Batoela Arameanina any Padan-Arama, sy anabavin’i Labàna Arameanina.
Noho izany, anaka, henoy aho: Miaingà ianao ary mandosira any amin’i Labàna anadahiko, any Haràna,
Hitan’i Esao fa nitso-drano an’i Jakôba i Isaaka sy naniraka azy haka vady any Padan-Arama, sady nanome teny azy teo ampitsofan-drano azy, nanao hoe:
«Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao.»
Ny maso maniratsira ny ray, sy maneso ny fanoavan-dreny, dia hogorobahin’ny goaika eny an-dohasahan-driaka, sy hohanin’ny zana-boromahery.
Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny sabatako. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra, fa ankasitrahin’ny Tompo izany.