Fa fony nitoetra tany Gesora any Arama aho, dia nanao voady ny mpanomponao ka nanao hoe: Raha averin’i Iaveh any Jerosalema indray aho, dia hanompo an’i Iaveh aho.»
Genesisy 28:21 - Baiboly Katolika ka tafaverina soa aman-tsara any an-tranon’ikaky aho, dia i Iaveh no ho Andriamanitro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ka ho tafaverina soa amantsara any amin’ny tranon’ny raiko aho, dia NY TOMPO no ho Andriamanitro, DIEM PROTESTANTA ka mahatafaverina ahy soa aman-tsara any an-tranon-draiko, dia ny TOMPO no ho Andriamanitro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka mahatafaverina ahy soa aman-tsara any an-tranon-draiko, dia ny TOMPO no ho Andriamanitro. Baiboly Protestanta Malagasy ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin’ny tranon’ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro, Malagasy Bible ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin'ny tranon'ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro, La Bible en Malgache ka ho tafaverina soa amantsara any amin’ny tranon’ny raiko aho, dia NY TOMPO no ho Andriamanitro, |
Fa fony nitoetra tany Gesora any Arama aho, dia nanao voady ny mpanomponao ka nanao hoe: Raha averin’i Iaveh any Jerosalema indray aho, dia hanompo an’i Iaveh aho.»
Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Semeià: «Tsy hovonoina ianao»; sady nianianany taminy izany.
Dia hoy ny mpanjaka taminy: «Inona no mbola itenenanao izany teninao izany? Efa niteny aho: Hozarainao sy i Sibà ny tany.»
Ka hoy i Naamàna: «Rehefa tsy mety ianao, dia avelao kosa ny mpanomponao mba homena tany zakan’ny mole roa, satria tsy tian’ny mpanomponao intsony ny manatitra sorona dorana na sorona, amin’andriamani-kafa, afa-tsy amin’i Iaveh ihany.
Niantso ny Andriamanitr’i Israely i Jabesa nanao hoe: «Raha mitahy ahy Ianao, ka halalahinao ny faritaniko, ary momba ahy ny tananao, sy arovanao amin’ny loza aho mba tsy ho zoim-pahoriana...» Ary nomen’Andriamanitra azy izay nangatahiny.
I Iaveh no heriko sy fototry ny tononkirako, Izy no namonjy ahy. Izy no Andriamanitro, ka hankalazaiko, Sady Andriamanitry ny raiko, ka hoderaiko.
Nampanambara tamin’i Iaveh ianao androany, fa Izy no ho Andriamanitrao, ka nametra-teny ianao fa handeha amin’ny lalany, hitandrina ny didiny sy ny lalàny amam-pitsipiny, ary hihaino ny feony.
«Raha atolotrao eo an-tanako ny taranak’i Amôna, dia ho an’i Iaveh ary hatolotro ho sorona dorana izay mivoaka ny varavaran’ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin’ny taranak’i Amôna aho».