Nahatsiaro i Salômôna ary nahalala fa nofy izany. Ary nony tafaverina tany Jerosalema izy, dia nitoetra teo anatrehan’ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh, ka nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana ary nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra.
Genesisy 28:16 - Baiboly Katolika Nahatsiaro tamin’ny torimasony i Jakôba, ka nanao hoe: «Eto amin’ity fitoerana ity tokoa i Iaveh, fa izaho tsy nahalala izany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa nahatsiaro tamin’ny torimasony i Jakoba dia niteny hoe: Eto amin’ity toerana ity tokoa NY TOMPO fa izaho no tsy nahalala! DIEM PROTESTANTA Taitra tamin’ny torimasony i Jakôba ka nanao hoe: –Tena eto amin’ity toerana ity tokoa ny TOMPO, fa izaho no tsy nahalala. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Taitra tamin’ny torimasony i Jakôba ka nanao hoe: –Tena eto amin’ity toerana ity tokoa ny TOMPO, fa izaho no tsy nahalala. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jakoba nahatsiaro tamin’ny torimasony, dia nanao hoe: Ato amin’ity fitoerana ity tokoa Jehovah, fa izaho no tsy nahalala. Malagasy Bible Ary Jakoba nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao hoe: Ato amin'ity fitoerana ity tokoa Jehovah, fa izaho no tsy nahalala. La Bible en Malgache Rehefa nahatsiaro tamin’ny torimasony i Jakoba dia niteny hoe: Eto amin’ity toerana ity tokoa NY TOMPO fa izaho no tsy nahalala! |
Nahatsiaro i Salômôna ary nahalala fa nofy izany. Ary nony tafaverina tany Jerosalema izy, dia nitoetra teo anatrehan’ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh, ka nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana ary nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra.
Miteny ihany anefa Andriamanitra, mbetika toy izao, mbetika toy izao, saingy tsy tandreman’ny olona izany.
Indro fa mandalo eo akaikiko Izy, tsy mahita Azy aho, manalavitra indray Izy, tsy mahatsikaritra Azy aho.
Maneke ny fahefan’Andriamanitra! Ny fiandrianany ao amin’i Israely, ny fahefany eny amin’ny rahona.
Iza moa no toa Anao amin’ireo andriamanitra, ry Iaveh ô! Iza moa no toa Anao izay mendrika indrindra noho ny fahamasinana, Izay atahorana, na eo am-piderana Anao aza, mpanao fahagagana?
Hitan’i Iaveh fa niolaka hijery izy; dia niantso azy Andriamanitra teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo, nanao hoe: «Ry Môizy! ry Môizy!» Ka hoy ny navaliny: «Inty aho.»
Dia hoy Andriamanitra: «Aza manakaiky eto: esory ny kapa amin’ny tongotrao, fa tany masina io.»
I Iavehn’ny tafika, dia Izy no hohamasininareo, Izy no aoka hatahoranareo sy hangovitanareo.
ary hoy izy hoe: «Henoy tsara izao teniko izao: Raha misy mpaminanin’i Iaveh eo aminareo, dia fahitana no hisehoako aminy, ary nofy no hitenenako aminy.
Efa mby akaiky an’i Jerikô i Jôsoe, no nanopy maso nijery, ka indro nisy lehilahy anankiray nitana sabatra voatsoaka nijoro teo anatrehany; dia nanatona azy i Jôsoe, ka nanao taminy hoe: «Momba anay va ianao sa momba ny fahavalo?»
Nidaboka tamin’ny tany sy niankohoka i Jôsoe, ka nanao taminy hoe: «Inona no lazain’ny Tompoko amin’ny mpanompony?»