Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 27:2 - Baiboly Katolika

Dia hoy i Isaaka: «Hitanao fa efa antitra aho izao; ary tsy fantatro izay andro hahafatesako.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy izy: Indro, efa antitra aho ka tsy fantatro izay andro hahafatesako.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hitanao izao fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hitanao izao fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy izy: Indro fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy izy: Indro fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy izy: Indro, efa antitra aho ka tsy fantatro izay andro hahafatesako.

Jereo ny toko



Genesisy 27:2
10 Rohy Ifampitohizana  

Koa ankehitriny, alao ny fitaovanao, dia ny tranon-jana-tsipìkanao sy ny tsipìkanao, ka mandehana any an-tsaha ka mamonoa biby fihaza ho ahy.


Nony efa akaiky ny fara andron’i Israely dia nampaka an’i Josefa zanany izy, nanao taminy hoe: «Raha mba nahita fitia teo imasonao koa aho masìna ianao, ataovy ato ambany feko ny tananao, ataovy amiko amin-kazavam-po sy fahamarinana izao: aza alevina aty Ejipta aho,


Ary hoy i Israely tamin’i Josefa: «Indro aho efa ho faty. Kanefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any amin’ny tanindrazanareo indray.


Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso; fa tsy fantatrao izay havoakan’ny andro manaraka.


Izay rehetra azon’ny tananao atao, dia ataovy amin-kerim-po; fa tsy misy asa na fahalalana na fahaizana, na fahendrena any amin’ny Seoly izay halehanao.


Tamin’izany andro izany, narary efa ho faty i Ezekiasa. Ary tonga tao aminy i Izaia, zanak’i Amôsa, nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Omeo ny fianakavianao izay didinao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona intsony.»


«Iaveh ô, tsarovy fa nandeha teo anatrehanao tamim-pahamarinana sy firaiketam-po aminao aho, ary nanao izay tsara eo imasonao.» Sady nitomany nanao ranomaso havozona i Ezekiasa.


Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay hahatongavan’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho misasak’alina, na ho maneno akoho, na ho maraina,


kanefa tsy mahalala izay ho ampitso akory ianareo;


Fa namaly tamim-pianianana i Davida nanao hoe: «Fantatry ny rainao marimarina, fa nahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr’i Jônatasy izany, fandrao malahelo izy. Kanefa toy ny mahavelona an’i Iaveh sy ny mahavelona ny ainao dia marina raha tsy iray dia monja no elanelako amin’ny fahafatesana!»