I Isaaka raiki-pitia an’i Esao, satria nankafy ny haza; fa i Rebekà kosa tia an’i Jakôba.
Genesisy 27:14 - Baiboly Katolika Dia nandeha naka i Jakôba, ka nitondra izany tamin-dreniny, nanaovany nahandro tsara araka ilay tian-drainy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nandeha izy ka naka izany ary noentiny teo amin’ny reniny; ny reniny kosa nanamboatra sakafo matsiro araka ilay tian’ny rainy. DIEM PROTESTANTA Dia nandeha i Jakôba naka ireo zanak’osy ka nitondra azy tany amin-dreniny, dia nanamboaran-dreniny hanim-py araka ilay tian’i Itsehàka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nandeha i Jakôba naka ireo zanak’osy ka nitondra azy tany amin-dreniny, dia nanamboaran-dreniny hanim-py araka ilay tian’i Itsehàka. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nandeha izy ka naka, ary nitondra tao amin’ny reniny; ary ny reniny kosa dia nanao hanim-py araka ilay tian’ny rainy. Malagasy Bible Dia nandeha izy ka naka, ary nitondra tao amin'ny reniny; ary ny reniny kosa dia nanao hanim-py araka ilay tian'ny rainy. La Bible en Malgache Dia nandeha izy ka naka izany ary noentiny teo amin’ny reniny; ny reniny kosa nanamboatra sakafo matsiro araka ilay tian’ny rainy. |
I Isaaka raiki-pitia an’i Esao, satria nankafy ny haza; fa i Rebekà kosa tia an’i Jakôba.
Hoy reniny taminy: «Aoka hihatra amiko ny fanozonana anao, anaka. Fa araho ihany ny teniko: mandehana, angalao zanak’osy roa aho.»
Ary nalain-dRebekà ny fitafian’i Esao, zanany lahy matoa, ny tsara indrindra, izay tao an-trano, ka nampitafiany an’i Jakôba, zanany lahy aivo.
Mba nanao nahandro tsara koa izy, ka nitondra izany tao amin-drainy, ary nanao tamin-drainy hoe: «Aoka hiarina ny raiko sy hihinana ny hazan’ny zanany, mba hitsofan’ny fanahinao rano ahy.»
Dia anaovy nahandro tsara ho ahy izany, araka ilay tiako; ka ento aty amiko hohaniko, mba hitsofan’ny fanahiko rano anao, dieny mbola tsy maty aho.»
‹Itondray haza aho, ka anaovy nahandro tsara hohaniko, mba hitsofako rano anao eo anatrehan’i Iaveh alohan’ny hahafatesako.›
‹Mandehana mankany amin’ny biby fiompy ka angalao zanak’osy roa izay tsara aho, hanaovako nahandro tsara ho an-drainao, araka ilay tiany;
Aza atongilanao amin’ny ratsy ny foko, na hilozoka amin’ny asa ratsy, miaraka amin’ny olona mpanao ratsy.
«Tandremo àry fandrao vesaran’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo, ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e!