Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 25:28 - Baiboly Katolika

28 I Isaaka raiki-pitia an’i Esao, satria nankafy ny haza; fa i Rebekà kosa tia an’i Jakôba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Ary Isaka dia tia an’i Esao satria nankafy ny hazany izy; fa i Rebeka kosa dia tia an’i Jakoba.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

28 I Itsehàka dia tia an’i Hesao, satria nankafy ny hazany; fa i Rebekà kosa tia an’i Jakôba.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 I Itsehàka dia tia an’i Hesao, satria nankafy ny hazany; fa i Rebekà kosa tia an’i Jakôba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Ary Isaka tia an’i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an’i Jakoba.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Ary Isaka tia an'i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an'i Jakoba.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 25:28
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia nandeha naka i Jakôba, ka nitondra izany tamin-dreniny, nanaovany nahandro tsara araka ilay tian-drainy.


Ary hoy i Jakôba tamin-drainy: «Izaho no Esao zanakao lahy matoa. Vitako ny nasainao nataoko ka masìna ianao, miarena ary mipetraha hihinana ny hazako, mba hitsofan’ny fanahinao rano ahy.»


Dia hoy i Isaaka: «Arosoy àry hohaniko izato hazan’ny zanako, mba hitsofan’ny fanahiko rano anao.» Dia naroson’i Jakôba teo anoloany izany ka nihinana izy; ary notolorany divay koa; ka nisotro.


Koa ankehitriny, alao ny fitaovanao, dia ny tranon-jana-tsipìkanao sy ny tsipìkanao, ka mandehana any an-tsaha ka mamonoa biby fihaza ho ahy.


Mba nanao nahandro tsara koa izy, ka nitondra izany tao amin-drainy, ary nanao tamin-drainy hoe: «Aoka hiarina ny raiko sy hihinana ny hazan’ny zanany, mba hitsofan’ny fanahinao rano ahy.»


Dia anaovy nahandro tsara ho ahy izany, araka ilay tiako; ka ento aty amiko hohaniko, mba hitsofan’ny fanahiko rano anao, dieny mbola tsy maty aho.»


‹Mandehana mankany amin’ny biby fiompy ka angalao zanak’osy roa izay tsara aho, hanaovako nahandro tsara ho an-drainao, araka ilay tiany;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra