Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 26:33 - Baiboly Katolika

Dia nataony hoe Sibea ny anaran’ny fantsakana, Izany no nanaovana ny anaran’ny tanàna hoe Bersabea mandraka androany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nataony hoe Sheba ny anaran’io toerana io. Izany no niantsoana ny anaran’ny tanàna hoe Bery-Sheba mandraka androany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nantsoin’i Itsehàka hoe Sibehà (na hoe Fianianana) ilay fantsakana. Izany no nanaovana ny anaran’ny tanàna hoe Beera-Seba na hoe Fantsakana fianianana mandraka androany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nantsoin’i Itsehàka hoe Sibehà (na hoe Fianianana) ilay fantsakana. Izany no nanaovana ny anaran’ny tanàna hoe Beera-Seba na hoe Fantsakana fianianana mandraka androany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nanao ny anarany hoe Sheba izy; izany no nanaovana ny anaran’ny tanàna hoe Beri-sheba mandraka andro-any.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nanao ny anarany hoe Sheba izy; izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Beri-sheba mandraka androany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nataony hoe Sheba ny anaran’io toerana io. Izany no niantsoana ny anaran’ny tanàna hoe Bery-Sheba mandraka androany.

Jereo ny toko



Genesisy 26:33
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia nifoha maraina koa i Abrahama, ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray; nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy. Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany.


Izany no nanaovana io toerana io hoe Bersabea, satria teo izy roa lahy no samy nianiana.


Ary hoy iretsy: «Efa hitanay miharihary fa momba anao i Iaveh, ka hoy izahay: ‹Aoka samy hanao fianianana isika, dia izahay sy ianao; ka hanao fanekem-pihavanana aminao izahay.


Tonga tao amin’i Isaaka androtr’izay ihany ny mpanompony, nilaza ny momba ny lavaka fantsakana izay nohadiny tamin’izany ka nanao taminy hoe: «Efa nahita rano izahay.»


i Hasersoala, i Bersabea, mbamin’ny vohitra momba azy;


Aza mitady an’i Betela, aza mankany Galgalà, aza miampita ho any Bersabea! Fa i Galgalà ho lasan-ko babo; ary i Betela hanjary tsinontsinona.