Niambezo mafy tamin’izy ireo anefa i Lôta ka nivily nankao aminy izy, dia niditra tao an-tranony. Nanaovany sakafo tsara izy, sy nandrahoany mofo tsy misy lalivay, ka dia nihinana izy ireo.
Genesisy 26:30 - Baiboly Katolika Dia nanao fanasana ho azy ireo i Isaaka ka nihinana sy nisotro izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanao fanasana ho azy Isaka ka nihinana sy nisotro izy ireo. DIEM PROTESTANTA Dia nanao fanasana ho an’i Abimelèka i Itsehàka, ka nihinana sy nisotro izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanao fanasana ho an’i Abimelèka i Itsehàka, ka nihinana sy nisotro izy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanao fanasana ho azy Isaka, ka dia nihinana sy nisotro izy. Malagasy Bible Dia nanao fanasana ho azy Isaka, ka dia nihinana sy nisotro izy. La Bible en Malgache Dia nanao fanasana ho azy Isaka ka nihinana sy nisotro izy ireo. |
Niambezo mafy tamin’izy ireo anefa i Lôta ka nivily nankao aminy izy, dia niditra tao an-tranony. Nanaovany sakafo tsara izy, sy nandrahoany mofo tsy misy lalivay, ka dia nihinana izy ireo.
Nihalehibe ny zaza dia notazana. Ary nanao fanasana lehibe i Abrahama tamin’ny andro nanotazana an’i Isaaka.
Ary nifoha vao maraina koa izy, dia samy nanao fianianana izy roa tonta, izay izy ireo vao nalefan’i Isaaka; ka dia lasa soa aman-tsara niala taminy.
Dia nianiana tamin’Ilay atahoran’i Isaaka i Jakôba. Nanatitra sorona teo an-tendrombohitra i Jakôba, ka nanasa ny rahalahiny hihinan-kanina. Dia nihinana izy ireo, sy nipetraka teo an-tendrombohitra nandritra ny alina.
Dia nanolotra sorona dorana sy fanatitra tamin’Andriamanitra i Jetrô, rafozan’i Môizy. Ary i Aarôna mbamin’ny loholon’i Israely rehetra dia tonga niara-nisakafo tamin’ny rafozan’i Môizy avokoa teo anatrehan’Andriamanitra.
Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo.